Chronique de Vanf

Atataovy ho lolohavina

Etsy mba atataovy aho». Fahiny, rehefa mandeha tongotra, dia nisy olona mangataka an’io fanampiana io. Hampiakatra ny sobikan’anana na daban-drano ho lolohaviny.
Endriky ny fahantrana mihitsy amiko ny mahita olona miloloha gonin-tsaribao, manosika kalesin-daba, mitarika sarety. Rehefa mankany Antsirabe, sahiran-tsaina aloha amin’ny voalohany : haka posy ve, anefa toa endrika fanandevozana mihitsy ity taritin’olona ity ; anefa, raha tsy maka posy, tsy very karama sy fivelomana indray ve ireo olona efa mahantra ireo…Mpamaky SAS (Malko Linge), «Mission à Saïgon», moa ny tena dia nahita tao ilay antsoina hoe rickshaw. Sendra nijery «documentaire» mikasika an’i Vietnam indray, dia nahita tokoa ary ity rickshaw : posy ihany ilay izy, «cyclo-pousse», saingy avy ato aoriana ilay mpamily sy mpivoy. Sady mba tsaratsara sy malaladalaka kokoa noho ny cyclo-pousse hety dia hety hita etsy Mahalavolona-Andoharanofotsy na…any Manakara.
Isan’andro, tsy etsy Andrefan’Ambohijanahary ihany angamba, fa eran’izay faritr’Antananarivo mbola mantsaka maraina sy hariva, dia misy ireny kalesy ireny, mitaona rano amin’ny daba (toa lasa itony barika plastika nisy menaka taloha itony izy izao) : indraindray mbola zaza, no manosika ireny.
Iza no mbola tsy nandre ilay hiran’i «Lôlô sy ny Tariny» misy ilay hoe «Bô e, bô e, bô e, vao maraina ; bô e, bô e, bô e, rehefa hariva». Tany amin’ny taona fitopolo iny hira iny : efapolo taona aty aoriana mbola misy mpiloloha gonin-tsaribao mitety elakelan-trano ! Manginy fotsiny ny ala ripaka amin’ny lalan’i Toamasina.
Biriky ve tsy lolohavina, sobika feno akoho lolohavina, zezika lolohavina… Ny zavatra mba tsaratsara lolohavina angamba dia koba : «koooba ô, koooba e»… Taloha elabe, isan’ny nampiady ny olona sasany tamin-dRanavalona Reniny ny fanompoana vaovao nanangonana ny siritry ny omby hanamboarana ny vanja ho an’ny bala, satria nahavita basy sy tafondro i Jean Laborde tany Soatsimanampiovana-Mantasoa : ny tena nahasarotiny ny foko sasany nanana tombontsoa dia ilay hiloloha sady ditsain’ny maloto. Tamin’izany, 180 taona lasa, mety tsy nanimba maso loatra ny mahita olona etsy sy eroa miloloha entana. Raiki-tampisaka hatrany anaty ohabolana aza moa : «miloloha tsy mihalana», ny halana amin’io dia ilay lamba somary matevina mba miaro ny tampon-doha ary ipetrahan’ny siny avy ao amboniny. Ny olona «miloloha rano roa siny» dia olona sady manenjika ny atsy no manenjika ny eroa, be rehana. Ankehitriny kosa, ny Amerikana efa elabe no nandia ny volana, ny Israeliana, ny Indiana, ny Koreana, efa nahavita baomba atomika, manahirana ny saina mihitsy mahita Gasy mbola miloloha harona, sobika, gony, daba, siny !
Ny henakisoa vao avy nodidiana, afatratra anaty posy maloto, raha tsy izany, antsampy an-damosina. Aiza moa isika no ho afaka hanondrana hena any ivelany intsony fa dia tsy maintsy omby mbola velona, na dia efa kaozatra aza, no ariana ho an’ny hafa hatramin’ny hodiny, afoy ho an’ny vahiny koa ny tandrony. Efa oviana ihany koa, ny firenena hafa efa nahita ny kodiarana, fa ny Gasy mbola misarika vatom-pasana na lelam-bavahady amin’ny rambaramba !
Misy endrika ivelany tahaka izany, itsaran’ny olona haingana dia haingana ny firenena iray. Tetsy Anatirova, tao amin’ny Fasan’ny Andriana, rehefa may ny Tranomasina vao fantatra fa hay tsy nasitrika ambany tany Andrianampoinimerina mianaka sy Ranavalona ary ny Mpanjakavavy telo hafa, fa nololohavin’izay mitsidika ny fasana avy ato andrefana an-tampon’ny loha ara-bakiteny. Aleo entin-doloha karazan’izany no mba sisa ampiasana ny «loloha», na andavanandro, na anaty rakibolana.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter