Fibedesana


Ny fitakiana ny fiarovana ny ain'ireo mpiray tanindrazana aminy monina eto Madagasikara, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika no nahadodona ny Filoha frantsay, ny sabotsy teo, teny Ivato. Miendrika tefa-tsofina ho an'ny mpitondra fanjakana malagasy mihitsy ilay fitakian'i François Hollande. Ain'ny mpiray tanindrazana aminy kosa ve tsy hahasarotiny azy. Ny antsika eto no toa mandeha ho azy (na fahatany) avokoa ny zava-drehetra, hany ka tsy mbola hita izay vokatra mivaingana hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana. Toa tsy mba misy mpiaro izany Ramalagasy sy izay kely mba eo am-pelantanany. Tafitan-dry zareo Frantsay aloha izay ny tiany hambara fa ny Filohantsika indray tetsy an-daniny, tsy mba nahavita nitondra ny teny fitakiana izay mba tombontsoa tokony ho an'i Madagasikara akory, raha tsy hiresaka afa-tsy ny mikasika ireo nosy kely manodi­dina bodoin-dry zareo Frantsay. Hakanosana sa faha­zarana manao ''oui m'se'' be fahatany? Izy roa mitambatra angamba...
Plus récente Plus ancienne