Ô ry zareo «amperin’asa» !


Samy te hiaina anaty filaminana avokoa ny isam-batan’olona. Tsy hitaintain-dava hoe hikorontana tahaka ny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 indray. Tsy hitebiteby hoe hikatso tanteraka indray ny fiainam-pirenena tahaka ny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009. Tsy ho velona ahiahy ho an’ny ampitso satria efa hita sy hay loatra ny voka-dratsin’ny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009. Saingy tsy haintsika mihitsy ny miala amin’ny lalan-kita-kisoa mitondra an-kady. Sampanana maro fa maninona ary ny faladia roan’ny Gasy no mihazo matetika loatra ny moron-tevana ! Efa fantatra hatrany hatrany ihany koa anefa ny tokony ho fadiana hanalavirana ny fidinana an-dalambe sy ny rotaka ka dia mahazendana mihitsy hoe manao fanahy iniana ve izay mifandimby mitondra : marenina amin’ny taraina, jamba amin’ny fahoriana, manata-bava amin’ny halatra sy fanodinam-bolam-panjakana, fanaovana izay danin’ny kibo amin’ny tombontsoa dikin’amboa ka ny eo ambony hatrany no tovonana. Ilay fiheveran-tena ho tsimatimanota mihitsy, ka afaka mandrovitsihy, no tena rangory fototry ny afo. Manomboka izao ary dia tokony ho foanana izany fitsarana manokana izany, izay nokasaina tamin’ity hoe «Haute Cour de Justice». Teraka tany ivelany tany io hevitra io (andininy 67, 68, 68-1, 68-2, 68-3 ny Lalampanorenana frantsay tamin’ny 4 oktobra 1958), nolovaintsika taty, tsy dia nasiana fandinihina lalina loatra (tahaka ny mahazatra rehefa maika haka tahaka fotsiny). Tany Frantsa tany, tamin’ny fotoan’androny, dia efa nisy nitsikera hoe tarazo ny fomba faha-Mpanjaka io ka tsy mifanentana amin’ny faha-Repoblika. Aleo tsaraina tahaka ny olon-tsotra rehetra izay manao ratsy : na Filohan’ny Repoblika, na Praiministra, na Ministra, na Loholona, na Depiote, na Lehiben’Andrim-panjakana, na Jeneraly mpitari-tafika, na Mpiasam-panjakana faran’izay ambony. Na iza na iza dia ho daholobe. Mazàna ihany koa ilay maha «amperin’asa» no mampanaotao foana : rombahiko ity fa olom-boafidy aho, ka tany mbola voafidy dia hanaram-po. Ho an’ny olom-boafidy sasany, indrindra any tany lavitra Andriana mahatonga ny sasany hihevi-tena ho tompomenakely, famotsoran-keloka ny fifidianana : mamafa ny halatra, mamela ny ota, mamafa ny sazy. Manomboka izao ihany koa izany dia tsy misy mahazo miverina hiltasaka ho fidiana intsony izay efa «amperin’asa». Amin’izay, tena miasa hanao zavatra mandritra ny fe-potoana voalohany sady tokana. Tsy hatahotra hanapaka hentitra satria tsy misy fifidianana manaraka ahiana intsony. Tsy hisary zoro amin-dRanona na Ranona satria tsy misy antony hisolelahana intsony. Ary hiasa mafy, hiasa tsara, hiasa mahitsy, satria henatra sy fahafaham-baraka avy hatrany raha tratra farany nangala-pihinana ny vary sy laokam-bahoaka. Vao tamin’ny 2009 no nifanalika teo amin’ny 13 mey ny TIM sy TGV (MAPAR ankehitriny) izay mifampitantana ankehitriny. Afaka folo taona, tsy hahagaga raha hifamihina sy hifanoroka eo amin’ny 13 mey indray ny TIM sy MAPAR ary HVM. Ilay firenena tsy mba hisondro-mijoro mihitsy fa hitambotso-mandohalika hatrany. Fisaka loatra ny tombontsoam-bahoaka ka tsy hita rirany amin’ny ady varotra seza : tombanana aloha hoe «Ovay ny Governemanta», kanjo nihiaka tampoka ny mpihoa-pefy hoe «Mialà». Manahirana mihitsy itony «vahoaka» itony... «Amperin’asa» telo mirahalahy anie no mifandrombaka miady ka mampisavorovoro ny fiainantsika rehetra. Io kianjan’ny 13 mey io ataony tokotany fanaovana fanenjika sy raosy jamba. Mifanompa ao izy, mifanozona. Rehofana androany ilay seza kasain-kitrehana rahampitso. Zimbaina androany ilay fahefana mbola andrandraina rahampitso. Sao dia ny «aoka izay» faobe, fa tsy ny «mialà» olon-tokana, no vahaolana hampilamina ny toe-draharaha. Tsy misy trano ho vaky. Tsy misy handositra sesitany. Tsy misy hivesatra henatra nampanao ratsy. Fandeferana ho raikitra tantara. par Nasolo-Valiavo Andriamihaja 
Plus récente Plus ancienne