Mifandramatra


Kely foana no tsy naharaikitra ny ady totohondry teo amin'ny depiote isany Nicolas Randrianasolo sy i Paul Bert Rahasimanana, omaly, teny amin'ny lapan'ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza. Efa lany tamin'ny tsangan-tanana fa hosoratana ao amin'ny tetibolam-panjakana 2017 ny vola natokana ireo fiara tsy mataho-dalana ho an'ireo depiote saingy nitaky ny hamerenana izany indray ireo depiote mpomba ny fitondrana ka teo no nahatonga ny savorovoro. Tsy dia mahagaga aloha ny fifanasana vangy sy ny fifanompana amin'ny endriny samihafa ao amin'io lapa io. Tsy vao izay ihany koa no nisy fifampikasihan-tanana na fikasana hanao izany. Tsy ny eto amintsika ihany anefa no manao toy izany ireo depiote fa amin'ny firenen-kafa ihany koa dia misy ireo mifampitolona sy mifanenjan-tsandry rehefa samy tsy manaiky ho resy tohika amin'ny heviny. Sady be vava no be sandry e! Ny an'ny sarambabembahoaka anefa dia tsotra ihany: aleo hifandramatra ao raha samy mihevi-tena fa matanjaka saingy kosa tsy ny volam-bahoaka no holanilaniana fahatany amin'izay haitraitran'ny fiara tsy mataho-dalana. Handoa vola hijery ady totohondry kosa aza atao mainka fa misy manolo-tena hampiseho ady tsy andoavam-bola ?
Plus récente Plus ancienne