Chronique de Vanf

Taratasy misokatra

Andriamatoa Filoha, fa «Filoha» izay lanieran’ny «suffrage universel» na dia efa tsy eo amin’ny fitondrana intsony aza. Hany ka gaga, sady faly, ny Filoha Ratsiraka raha nitsidika azy voalohany tany Paris aho, efa tamin’ny taona 1996 izany, raha nantsoiko avy hatrany izy hoe «Monsieur le Président»: tsy izay rotaka 1991 mantsy no haha-maina ny ilo-solika mby an-dohan’izay lanieran’ny fifidianana.
Andriamatoa Filoha Hery Rajaonarimampianina, rano raraka an-tany ireny voka-pifidianana ireny, sira nody an-drano. Amin’ny maha-olombelona antsika, miloloha lany mety ho lena, mandia tany tsy maintsy ho solafaka. Fomban-tany, eran-danitra, tsy atao hanafintohinana.
Fomban-javatra politika ihany koa ny mahita ireto namana natao nahatoky omaly, niolomay nidodododo amin’olon-kafa, havana vaovao misy patsa. Mahatsara zavatra anefa ireny satria sivana vita ho azy, ary lasan’ny hafa ny ratsy rehetra. Tranon-takatra nidiram-borondolo, ka hosomparan’olon-dratsy ny olon-tsy vanona. Afaka adidy ianao fa asakasak’izay hampiantrano indray ireo zatra ho fandoto iray tandroka mamosavy rano iray siny. Ombieny ombieny, hatrizay.
Filohan’ny Repoblika : anaram-boninahitra mipoapoaka tokoa aloha, mahagaga fa enimpolo taona monja ny Repoblika dia io anaram-boninahitra io ihany no mby avy hatrany an-tsain’ny rehetra. Raha tsy izany ve, hisy tahaka ireny, karazan’olona tsy hay akory hoe ahoana, tsy hita soritra hoe iza, mihevi-tena fa mendrika hono izy hilatsaka ho Filohan’ny Repoblika. Akory azy izao.
Filohan’ny Repoblika : toeran’adidy hanasoavam-pirenena, raha ny tokony ho izy, ka izay no mahalikiliky amin’ny vavam-bahoaka rehefa nisy zavatra adino, adidy latsaka, fomba nangarika.
Filohan’ny Repoblika, dimy taona : fe-potoana tokony ho tokana, tsy hiverenan-doha. Voninahitra tsy azo tamin’izay, tsy ho hita mandrakizay. Andraikitra tsy hefa nandritra izay, hanantena fanalavam-potoana inona indray. Fomba omban-dalàna tokony ho apetraka izany mba tsy hiteraka ny fakam-panahy tsy ihavanana, ho an’ny mpandimby hifandimby.
Andriamatoa Filoha, savony azo nialana ireny 21 aprily ireny. Akory moa atao, fa efa afara antsika any ny «Tahaka izay». Nahay niaiky hadisoana ianao, nanaiky izay nofaritan’ny Mpitsara tao amin’ny HCC, nametra-pialana tao anatin’ny fotoana notondroina : mety tsy ho voninahitra izany, fa bainga kosa ho an’ny demokrasia. Tsy maro ny teo aloha, enga ka tsy ho vitsy izay handimby, nanana izany toe-pisainana izany : fanetren-tena, ho an’ny Tanindrazana. Manaiky am-pahatsorana ny voka-pifidianana.
Andriamatoa Filoha, aoka, ho izany sary mendrika izany no ho tsaroan’ny vahoaka sy ny Tantara anao.
«Ho ataoko izaho irery ahoana, no fitondra ny fahasahi­rananareo, sy ny entanareo, ary ny adidinareo ?» (Deotoronomia, 1:12). Io Bokin’ny Deotoronomia io moa va tsy ilay mitantara ny fahafatesan’i Mpaminany Mosesy/Moizy alohan’ny nidiran’ny Zanak’Israely ny tany Kanaana ?
Fahafoizan-tena, fanetren-tena, ho fahasoavan’ny mpiray firenena. «Ho an’ny Tanindrazana» araka ilay teny filamatra, somary adinodino indraindray. Isika Malagasy miandry Mesia (Masiah), ilay voa «Hosotra». Ny Mosesy, hay «Sorona».

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

Publicité

Publicité

Publicité

Publicité