Courrier des lecteurs Opinions

Ny hanongotsongona ny maty, tahotra ny handevim-belona…

Tsy iza tsy akory no hantenain-ko faty, na iza no eritreretina halevina fa izany ohabolana malagasy izany no tonga an-tsaina raha mikipy maso kely nandinika ity fiainam-pirenena, ka mitady handatsaka indray anaty nofy ratsy sarotra ifohazana. Toy ny totoim-bintana loatra mantsy isika malagasy ka vantany vao mba miharina kely, dia indro mandondona tsy lavitra ny karazam-pitakiana azo ifanarahana amin’ny ankapobeny, rehefa mbola tsy misavika ny anarana hoe« tolona »-. Be loatra mantsy ny « tolona » niorim-paka teny an-dalambe (1972, 1991, 2002, 2009),ka tsy mahafoy azy mandrak’ankehitriny, ary mazàna tolon’olom-boky miady seza lehibebe kokoa hahazaka azy sy ny filan-dratsiny. Nitondra ny anaran’ny vahoaka hatrany izy ireny, tamin’ny taona sy fotoana nifandimby, ary niaraka tamin’izay koa ny fiovaovan’ny famaritana sy fandrefesana ny antsoina hoe « vahoaka ».
Izahay mantsy toa tsy mba voasokajin’ny mpitolona sy ny mpitarika azy ho vahoaka intsony: izahay olombelona malagasy tsy maneho hevitra politika amin’ny andavanandrom-piainanay ;izahay olombelona malagasy mahatsapa hoe tsy tena mpomba an-dRajaonarimampianina mankaiza, kanefa mitsipaka tanteraka ny fandatsahana an-kady indray ny firenena sy ireo mpitetika izany ; izahay olombelona malagasy mahandry volana vitsy hanitsiana ny lalanko diavin’ny nosy maminay amin’ny alalan’ny fifidianana ; izahay olombelona malagasy tsy manao facebook ary tsy mba mitabataba amin’ny haino aman-jery voavidim-bola ho miandrandra« fanovana » amin’ny alalan’ny fomba ratsy tsy nety niova, dia ny fanonganam-panjakana.
Eny! Izahay ireny tompoko dia isan’ny vahoaka tokoa, ary ahiako mafy aza ho maro lavitra noho ireo olona aman-jatony vitsy miezaka manakorontana ny malagasy toa azy efa ho iray volana mahery kely izay, ka misora-tena ho vahoaka ary fanjakana hono. Eto indrindra no hanararaotanay hampahatsiahivina, ho ren-tany sy ren-danitra fa izahay koa dia miandrandra fatratra ny hamalian’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, ilay fitoriana napetraky ny depiote an’Analakely mahakasika ny hampitsaharana ny Filoham-pirenena amin’ny asany. Dodona ihany koa izahay ary mandry an-driran’antsy loatra mieritreritra hoe : hiditra tetezamita indray ity tanindrazanay ; hisy fanananay vahoaka ho potika na ho atao ampihimamba indray ; hisy laza ratsy hiparitaka indray maneran-tany amin’ireto malagasy mody mihavana ; hisy ampahampanantenana ho levona indray anatinay noho ny fahavoazana mivangongo amin’ity taninjanakay ; … sy ny ratra maro samihafa tsy ho voatanisa etoana.
Izany indrindra no hiantsoanay ny fahendren’ny olombelona malagasy rehetra mitovy aminay : hahay hanavaka ny tolona amin’ny korontana ; tsy hanafangaro ny fanovana sy ny fihemorana. Tsy manahy raha izany no hilazana indray fa mila ranondranony amin’ny HVM izahay, eny na holazaina fa mikravaty manga mihitsy aza ; satria toa maivana loatra aminay mantsy ny kajikajy sy tetidratsin’ny mpanao politika efa nialin-taona, raha hoharina amin’ny halehiben’ny fikatsahanay fiadanana ho an’ireo taranakay hisitraka ny zony eto amin’ity Madagasikara ity ao afara. Diso fantatra loatra fa raha miala amin’ny toerany tokoa ny Filoham-pirenena dia tetezamita no hiandry ny malagasy ao ; tetezamita hitohy aman-taona maro ka ho fanjakan’i Baroa sy ny zaza natsangany.
Tahotra an’izany no hitodihanay amin’ny mpitsara malagasy ao Ambohidahy : maro izahay olombelona malagasy toa anareo mitodi-doha eny ka miandry fatratra ny hifaranan’ity nofy ratsy tsy tena mety afa-paka efa an-taonany maro izay. Afaka ny hisoratra anatin’ny tantara ny fanapaha-kevitra ho raisinareo, ka toy ny hiandrasanay am-pahendrana sy am-pahamendrehana ireo efa-bolana sisa mialoha ny fifidianana no hiandrasanay koa izany didy izany ; tsy hitorevaka manoloana ny toeram-piasanareo ka hihogahoga sy hiantsy ary hampitahotra… tsy ireny karazam-bahoaka gasy ireny mantsy izahay.
P.S : Tandremo sao ela fidona ny oran’Ankaratra fa ny valala misy ary ny mpitantara mahay. Tsy ianareo rahateo moa no hampianarina fa tena lalim-pandinika ny ntaolo razantsika raha nilaza fa ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra.

Ranaivoson André

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

Publicité

Publicité

Publicité

Publicité