Ranonorana, ranolava, ranomaso.


Tsy nampoiziko, raha nindrana sy nizara ity hainteny ity aho, fa dia nisorona (nivarina) ho any Mahamasina indray Andohalo : Haitraitran’Ambohijanahary Ka mitomany hibaby an’Iarivo ! Angolangolan’i Mahamasina Ka mitomany hiampofo an’Ambohijanahary ! Lahatsoratra efa nivoaka tamin’ny febroary 2018 no hanaraka eo («Raha savihina mavesatra, handrorona ihany»). Fa isika mantsy tsy mba mianatra tamin’ny lasa : 26 febroary 2015, olona valo maty tototra teo Ankadilalana ; 17 febroary 2018, olona fito namoy ny ainy nianjeran’ny vato avy any Ampamarinana ; 19 janoary 2019, olona folo maty aty ambanin’Andohalo. Misy faritra tokony tsy azo honenana aty ambany mitatao vatobe. Misy fombam-panorenana tokony tsy ho azo atao any ambony. Mankaiza daholo ohatra ny rano tsy maintsy mitsiaka avy amin’ireo trano marobe Andohalo, Ambatobevanja, Andrefandrova, Ambohimitsimbina ? Mampanontany tena ny fomba nitaomana vato, biriky, fasika, nananganana ireo trano milahatra amin’ilay totohabato miainga aty ambonin’Ankadilalana ka mihanika hatrany Ankaditapaka-atsimon-dRova. Analamanga tokoa no lasa tanàna anivo, tanàna arivo, tanànan’ny anarivony, fa ho zakan’io vatobe mitondra ny Rova io avokoa moa ny vesatry ny analiny, an-hetsiny, izao tontolo izao ? Ny arkeology, raha navela nisava ny tokontany, mialoha ny hanangana indray an’i Manjakamiadana sy Mahitsielafanjaka, no milaza fa ampiantany no mitondra ny tokotanin’ny Rova. Manjakamiadana angamba, amin’ny endriny ankehitriny, nasiana andry béton mamahatra amin’ny vatolampy, tsy hianjera. Fa ny Fasan’Andriana, ny Fitomiandalana, maha Rova tokoa ny Rova? Tsy ho tanty. «Fokontany Ambanin’Ampamarinana» : tsy anarana foronina izany fa tena zava-misy, isan’ny Fokontany 192 eto Antananarivo-Renivohitra. Eto ambany masoko eto, misy sarin’Antananarivo tamin’ny andro Gasy, izany hoe talohan’ny 1895 : ny tokontany andrefan’i Manjakamiadana mantsy dia mbola tsy misy ireo amontana nambolen’ny Frantsay rehefa nalefany sesitany ny Mpanjakavavy. Eo atsimon’ny Fiangonana Anatirova, dia mbola miezinezina ilay Tranobe mitovy endrika amin’ny Tranovola : tranon’Andriamambavola izy io raha ny lovantsofina. Ery avaratra-andrefana, tsy misy na inona na inona mihitsy eo ambanin’ny Fiangonana Ambonin’Ampamarinana, izay notokanana ny 28 martsa 1874 (na dia taon-jobily 150 aza tamin’ny 2015). Ny sary nalain’i Philippe Oberlé, tamin’ny jiona 1976, no ahitana trano vitsivitsy efa mananika moramora eo ambanin’Ampamarinana...Izay efapolo taona farany izay, inoana fa nitombo moramora tsikelikely tao ireny trano ireny... Mampalahelo mahasosotra ny mandre fa zaza dimy no indray maty noho ny fianjeran’ny vato avy eny Ampamarinana. Fa tsy vitan-tsetsetra tokoa ny tarehin-javatra tahaka izao, izay tsy vao sambany akory, fa tokony hanaitra ny saina hieritreritra. Fanontaniana tsotra fotsiny ohatra : tokony hipetrahana sy hanangan-trano ve ambanin’Ampamarinana ? Vatobe mandindona eo ambony loha izany dia efa tsy fomban-tany amiko ka tsy mahatamana. Rehefa dinihina akaiky ny sary dia mbola tazana tsy lavitra ny vato nipiaka ny talantalana nizaka ilay sorabaventy hoe «Antananarivo». Fanontaniana : sao dia voakitika mafimafy ny vatolampy ka nahazo fery nitarika izao loza izao ? Rabearivelo sy Baudin, ao amin’ilay bokiny hoe «Tananarive, ses quartiers et ses rues», dia milaza fa talohan’ny naha Ampamarinana ny toerana, izany hoe talohan’ny andron-dRanavalona Reniny (1828-1861) sy ny nanjerana teo ny kristiana voaheloka ho faty tamin’ny 28 martsa 1849, dia «Tsimihatsaka» no anaran’io vato io : tsy nohatsahana tokoa, na tamin’ny afo na tamin’ny lelan’angady. Ampiantany no mitondra ny Fiangonana Ambonin’Ampamarinana. Ampentany ihany koa no mitondra ny Lapa Manjakamiadana aty amin’ny ilany andrefan’Anatirova raha nahazo vatolampy ny fototra amin’ny ilany atsinanana. Mahazaka vesatra manao ahoana io vatolampy io sy ny ampentany eo amboniny ? Tokony hisy fiara vaventy mivezivezy ve iny faritra ambony iny ? Mbola ho omena alalana ve ny fananganan-trano sesehena amin’io vatolampy mandravaka an’Antananarivo io ? Raha voatohintohina fahatany io vatolampy be mitondra ny vohitra maha Antananarivo an’Antananarivo io, mety hisy antambo mihoatra lavitra ny nahamay ny Rova : Antananarivo manontolo no hibolisatra, handrorona, aty Mahamasina.
Plus récente Plus ancienne