«Mampieritreritra : Teny zato, kabary arivo… fa ny marina tokana ihany»


Fandrebirebena saim-bahoaka », io no nentin’ny maro nanasokajy ny resaka rehetra manodidina ny tokony hanemorana na tsia, ny fifidianana filoham-pirenena. Na ny mpomba, na ny mpitsipaka izany hevitra izany mantsy dia toa samy miezaka mafy hidradradradra eny amin’ny haino aman-jery rehetra eny, hanohana ny heviny.Samy mpahay lalàna izao no toa mifanipaka hevitra tanteraka rehefa mitondra fanazavana mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena ; zary mampanontany tena hoe mba nitovy ary ve ny fianarana norantovin’izy ireny. Indrindra koa moa rehefa samy rafi-pitsarana malaza ho mahaleo tena izao no mody tsy mifampijabaka andraikitra… dia tsy maintsy mipetraka ihany ny fanontaniana hoe « ny an’iza no marina ? ». Mandrebireby saim-bahoaka sy mamahan-dalitra azy tokoa raha atao ambeti-teny ny hoe « ho an’ny tombotsoa ambonin’ny firenena» amin’izay rehetra atao, kanefa mibaribary toy ny vay an-kandrina fa olona iray na roa no sokajiana amin’ity hoe firenena mazàna. Tsy zava-baovao ho anay malagasy akory ny « manam-pahaizana » voavidim-bola ka mahasahy mamadika ny marina ho an’ny tombotsoany sy ny an’izay tompoiny ; ary mihaniana amin’izany mihitsy aza indraindray. Mandrebireby saim-bahoaka sy manabado azy, raha manao dika vilana ireo karazan-dalàna rehetra manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana, sady efa hitam-poko hitam-pirenena manitsakitsaka azy ireny tsotra izao. Kanefa mbola manantena ny ho lasa mpitondra lanim-bahoaka ihany. Zatra loatra ireo « manaiky matoa tsy miteny », ary manapatra ny adalany noho ny fahazarana niaina tamin’ny fanjakan’i Baroa ka samy nanao izay danin’ny kibony. Mandrebireby saim-bahoaka sy manafokafoka ny Malagasy, raha mahasahy mihevitra fa tsy takatray valalabemandry  ny ambadika politika miara-dalana amin’ireny karazana paik’ady enti-mandrahona sy mampitahotra ny amin’ny fahafaha-manakorontana ireny. Hazo tokana tokoa tsy mba ala, fa vondrombondron’olona koa nefa tsy mba vahoaka ; fisolokiana tsotra izao ny fahasahiana miteny amin’ny anaranay vahoaka satria manana olona aman-jatony kely manara-dia manao rebik’ondry eraky ny tanàna kely lalovana. Mandrebireby saim-bahoaka sy mpitari-bato vilam-bava, raha mpaka fahefana eny an-dalambe no handeha hizara traikefa mahakasika ny demokrasia amina tanora avara-pianarana malagasy. Tanora sahy mijoro maneho ny fiheverany satria nanam-bintana hiaina any amin’ny firenena tsy noviravirain’ny mpanongam-panjakana. Izy ireny indrindra no toa lasa natsangan’ny sasany ho fahavalo mila fofoina satria manelingelina ny « tompony» ; ny sasany izay toa manao fahanteran’amboa… gaigy antitra nefa misora-tena sy mitaky ho hajaina toy ny raiamandreny. Koa atsipy ary ny teny ho an’ny manam-panahy : vero taingenam-pody tokoa ny malagasy maro an’isa tsy mpidina an-dalambe na mpamaky tranombarotra… tsy folaka fa mandefitra. Izahay ireny no mpifidy, izahay ireny no mpitsara, izahay ireny no mpanasazy anareo rehetra mivelona amin’ny politika ka baikon’ny vola sy ny fitadiavan-tseza amin’ny fomba rehetra. Vitsy aminay tokoa no mbola tena mahalanjalanja izany fahefana anananay izany, fa ny sisa tsy hoe domelina akory ka tsy mahalala na inona na inona mihitsy, satria ny omby indray mandry tsy voatery indray mifoha. « Manaova ary ny marina, ary hampanjakao ny rariny » satria na toa inona na toa inona fitapitaka entina handemena ny saim-bahoaka, dia tokana ihany ny marina… ary izy io hono tsy mba maty. par Ranaivoson Fidelys
Plus récente Plus ancienne