Ho an’ny Tanindrazana !


Efa mba haintsika Gasy izany ny fifanajana anaty fampielezan-kevitra. Enga anie ka ho arakarak’izany ihany koa no hahaizantsika manaiky ary manaja ny valim-pifidianana. Mbola maro ny azo hatsaraina mba ho tena «Fampielezan-kevitra» tokoa fa tsy fafy akanjo fitafy na varo boba vary kapoaka no hiainan’ny Malagasy amin’ny fifidianana hafa rehetra hanaraka. Ny hevitra mantsy tsy tombanana hoe «ohatrinona» fa anontaniana hoe «inona». Tabataba nankarenina izay dokadoka izay, saingy asa raha mba nisy hevitra tsilian-tsofina ihany. Tamin’ny fihodinana voalohany, maro loatra ny hondrakondrafana ka nanala-baraka avy hatrany ny fotoandehibe demokratika tahaka itony. Atao ahoana fa mbola endriky ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny ny fahasahian’ny sasany hisora-tena hiteniteny foana imasom-bahoaka. Ankatoky ny fihodinana faharoa indray, inona no naroson’ny andaniny na ny ankilany handresen-dahatra ireo antsasa-manilan’ny Gasy tsy tonga nifidy tamin’ny fihodinana voalohany ? Teo anelanelan’ny fihodidinana roa sosona dia niaraha-nahita ny edinedin’ireo kandidà sasany hoe hanohana an-dRanona na Ranona : fa angaha moa tompon’ny vato azony ireny olona ireny ? Iza no mamita-tena kokoa : izy mihevitra fa tompon’ny vato nitondra ny anarany ; sa ny olona miantso azy hanatevin-daharana satria hoe tompon’izany vato izany tokoa izy ireny ; sa ny vahoaka nifidy ireny olona ireny ka hanatanteraka anjambany izay toro-marika apetrany ? Mbola tsy ara-penitra ihany koa ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy ho tanteraka mihitsy izany raha tsy vita informatika-nomerika-biometrika ny sora-piankohonana iray manontolo : manomboka amin’ny ora nahaterahana ka hatramin’ny andro hahafatesana. Olona iray, vato iray : izay no hoe demokrasia. Olona iray, kara-pifidianana roa, telo, efatra, dimy : izany no hala-bato. Fifindra-monina tsy voasoratra, maty any am-pasana mbola mahazo kara-pifidianana : maro ny sampona tsy maintsy ho arenina amin’ny fifidianana hafa rehetra manaraka. Ny Governemanta manaraka tokony hisy Ministera iray manokana tsy hanao afa-tsy io «informatika-nomerika-biometrika» io. Karapanondro, Karapifidianana, Fanamarinamponenana. Ny vola lanilany foana amin’ny rendrarendra sy ady voninahitra ho atokana amin’izany asa izany. Amin’izay angamba mba ho azo soloina «Fifampitokisana, Fifanajana, Fifampitsinjovana» ny teny filamatry ny Fiaraha-monina eto Madagasikara. Mandra-piandry izany, ary satria mbola mibadabada ny Demokrasia isika, indro misy «Didy Roambinifolo» ho saintsainina. 1. Hajao ny valim-pifidianana 2. Arahabao ny Filoha laniera 3. Ho Filoha amin’Adidy sy Andraikitra 4. Ho Filoha mpamerindoha hikajy izay nindraminy 5. Ho Filoha hitandro ny hasin’ny Fanjakana 6. Mijoroa ho Raiamandrenin’ny Rehetra 7. Taizao amin’ny teny sy ohatra mendrika ny Vahoaka 8. Omeo toerana ny Soatoavina maha-Olona 9. Tanteraho amin’ny fomba mihaja ny Fifamindram-pahefana 10. Tsongao fatratra ny olona hiarahana miasa 11. Kajio ny Rariny sy Hitsiny 12. Ento ho filamatra ny hoe «Ho an’ny Tanindrazana»
Plus récente Plus ancienne