Fisaka ny rariny


Tsy maintsy hirefotra ny raharaha Antsakabary! Ohatra ny dia efa goavana ery ny fipoakany amin'ilay fomba filaza. Toa midika izany fa niasa mafy tokoa ary tsy hitsitsy amin'izay voaheloka amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ireo mpikambana eo anivon'ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena miaro ny zon’olombelona (CINDH), taorian'ny fanadi­hadiana nataon'izy ireo. Etsy an-daniny anefa milaza hamoaka tatitra ihany koa anefa ny avy eo anivon'ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena. Hitovy àry ve ny tadin-dokanga sa hifanipaka? Ary iza no manana ny marina? Toy ny tolo-kena maty jiro mantsy izy io ka samy maka ny tandrifiny izy ireo tamin'ny fanadihadiana nataony. Rehefa nanitrikitrika, ohatra, ny CINDH fa voahitsakitsaka ny zon'olombelona tamin'ny famonoana ireo Polisy roa lahy, Inona no fanapahan-kevitra horaisiny. Dia ahoana koa ny mahakasika ny fandorana trano izay voalaza fa “ireo polisy mihitsy no nahavan-doza”? Hanaiky mora izany ve ireo mpitandro filaminana, izay voalaza fa efa nanao famotorana? Sao mba ho very an-javony indray izy ity fa mody mba samy belazao eo fotsiny e!
Plus récente Plus ancienne