Fahatsiarovana - Iza tokoa moa Ny Andriana Ranjeva Pierre ?


Very olomanga indray Madagasikara. Niamboho ny herinandro lasa teo Ranjeva Pierre. Raha ny zava-bitany dia tena andrarezina tokoa no nidaraboka. Sehatra maro no nanehoany ny fahaizany, ny finiavany ary ny fitiavany ny tanindrazany. Maty namela mamy tokoa Itompokolahy. Tsy hiteny lango eo imason’ny vary aho, ary tsy afaka ihany koa hirehareha ho tena mahafantatra an-dRatompokolahy, indrindra moa fa maro dia maro ny sehatra nandalovany sy namirapiratany na teto amin’ity firenena ity izany na tany ivelan’ny nosy. Kanefa araka ny ohabolan-drazantsika manao hoe «Ny mahitsy tsy haritra, ny soa maha te hilaza» dia mamelà ahy ianareo hiteny zay mba kely fantatro. Raha namaky ny hafatra napetrany ho an’ny vady andefimandriny sy ireo olona akaiky azy ny tenako, dia nanintona ahy ny teny famaranana nataon’Itompokolahy Ranjeva Pierre ho fanamby ny hanana taranaka vanona, manam-pahaizana ka afaka hijoro hiamboho mahefa, sy atreha-mahavita. Tamin’ny fomba hentitra dia hentitra no nitondrany ny fana­beazana, ary nampiarahany tamin’ny fanetsehana hambom-po izany. Toa saro-takarina ihany indraindray ny hevitra sy ny fisainana ary ny fihetsika nasehony rehefa nifanerasera tamin’ny hafa izy, kanefa aty aoriana dia tsapa fa nahitan’ireo izay nifanerasera taminy voka-tsoa izany. Na dia hentitra tokoa aza ny fanombanana ivelany an’I Ranjeva Pierre, dia tsapa fa olona be fitiavana izy. Maro ny havana sy tapaka notolorany tanana, ka lasa mpitsabo, injeniera, mpampianatra any amin’ny anjeri-manontolo, ary mpitondra fanjakana ambony. Naneho FITIAVAN-TANINDRAZANA hatrany Ranjeva Pierre teo amin’ny androm-piainany. Izy dia anisan’ireo manam-pahaizana Malagasy nisafidy ny hiverina an-tanindrazana rehefa nahazo fahaleovan-tena I Madagasikara, ka niditra tamin’ny asam-panjakana, tao amin’ny sampana sosialy. Izy no Malagasy inspecteur du travail voalohany, ary Malagasy Talen’ny Asa voalohany ihany koa, namorona ny «corps des inspecteurs du travail». Andraikitra lehibe nomena ho tanterahiny tamin’izany ny fametrahana ny fitoniana ara-tsosialy eo amin’ny sehatry ny asa. Nitondra zava-baovao maro sesehena I Ranjeva Pierre tamin’ny asa niandraiketany satria tsy nihonona fotsiny tamin’ilay antsoina hoe «gendarmerie sociale» (izany hoe ny fitsirihana ny tsy fanarahan-dalana sy ny fampiharana fitsipika napetraky ny lalana mifehy ny asa amin’ny ankapobeny), fa nijery ihany koa ny resaka sosialin’ny mpiasa ka nanangana ny sampan-draharaha maro toy ireo izay misahana ny fisotroan- dronono (CNAFAT, CNAPS). Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny CNAPS voalohany izy, ary nandrafitra ny Code de prevoyance sociale mbola hihainana ankehitriny sy ny lalana mifehy ny asa tamin’ny 1960. Vy nahitana ny «conge education» izy, ary namorona ny sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny mpiasa (SMIE, OSIE…). Ireto farany ireto moa dia norafetiny mba ahaleotena, tsy ho rakotry ny fahefam-panjakana, ary nampifandraisiny tamin’ny CNAPS izay nampindrana vola amin’ny zanabola ambany dia ambany, mba afahan’ny OSIE mividy fitaovana. Ny dingana novolavolainy nefa tsy tanteraka satria nesorina tamin’ny toerana izy, dia ny fananganana Centrale d’Achat pharmaceutique iombonan’ny OSIE. Anisan’ny zava-dehibe nentiny ihany koa ny fanomezana ny toerana sahaza azy ireo ho an’ny sendikan’ny mpiasa, na tany anivon’ny orinasa izany, na tety ivelany tamin’ny alalan’ny famporisihana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny solontenan’ny mpiasa, ny solontenan’ny mpampiasa ary ny solontenan’ny fanjakana. Rehefa nitranga ireny raharaha politika teto Madagasikara taorian’ny taona 1972, dia nandray andraikitra maro I Ranjeva Pierre ka teo anelanelan’ny taona 1974-1978 dia nifandimby niasa tamin’ny orinasa goavana toy ny EEM, ny Emballages metalliques Toamasina, sy ny Tranombarotra Roso izy. Nalaza ho «masiaka be ronono’ izy teny anivon’ireny orinasa ireny, satria na dia hentitra aza ny tenany, dia tsy mba fombany ny manao fitondra-mitanila. Ny taona 1978 izy no voatendry ho Ambasadaora any Madagasikara tany Bruxellessy teo am-pisoloana ny Firenentsika teo amin’ny Firaisana Eoropeanina. Niavaka ihany koa ny nandalovany tao amin’io masoivoho io, hany ka 30 taona mahery taty aoriana dia mbola maro ireo mpiara-miasa taminy fahiny nahatsiaro fa nitombo fahalalana sy nihatsara trai-kefa rehefa nandalo teo ambany saokany. Rehefa tsy nifanaraka tamin’ny fitondram- panjakana nisy tamin’izany fotoana izy, dia naleony nametra-pialana fa tsy nifikitra tamin’ny toerana taminy taona 1983. Tsara ho marihana ihany io lafin-javatra io satria toetra miavaka tokoa. Tsetsatsetra tsy aritra no ilazako fa iray amin'ny didim-pihavanana malagasy nataon'ny Ombalahibemaso io fihetsika nataon’I Ranjeva Pierre io, dia ny tsy fisian'ny hena-maso sy ny tsy fisoronana raha tohatra ny sarotra. Eo amin’ny lafiny teti-pitondrana, na dia tsy mpikambana mivantana tamin’ny antoko politika aza I Ranjeva Pierre, dia nanana ny tarigetrany mazava nijoroany izy. Anisan’izany ny fitiavan-tanindrazana, ny fitolomana ho fiarovana ny zo fototry ny mponina manan-jo (mponina manan-jo no nentin-Dratompokolahy nandikana ny teny hoe «citoyen», ny ezaka nataony amin’ny hisian’ny fitondrana tsara tantanana eto Madagasikara sy ny sisa maro tsy ho voatanisa entoana. Tsy nisalasala izy niditra an-kasahiana amin’ny sehatra heveriny fa hampanjary ny hevitra fonoson’ireo tarigetra nimatimatesany ireo. Fony mpianatra tany am-pitan-dranomasina izy ohatra dia nilatsaka ho fidiana ho filohan’ny AEOM (fikambanan’ny mpianatra malagasy tany Frantsa), ka voafidy teo amin’izany andraikitra izany. Tsy nandray ilay toerana anefa izy satria tafiditra niofana tao amin’ny ENFOM (ENA). Tena nitondra ny anarany izy (hoe Pierre) fa «toy ny vato lava sorona ka izay nametrahana azy nety avokoa»! Tamin’ny taona 1972, dia tany aminy no napetraka ny tahirin-kevitry ny MFM. Taty aoriana, dia nirotsaka tamin’ny asa fanaovan-gazety izy, ary tsaroan’ny rehetra ny matoan-dahasoratra mamaivay nefa avolenta nosoratany tao amin’ny La Lettre Mensuelle de Jureco, nanomboka ny taona 1987. Singanina manokana ihany koa fa tolo-kevitra novolavolainy no nananganana ny «Mediature» fony izy mpanolo-tsaina manokana tamin’ny andron’ny Praiministra Razanamasy Guy Willy. Ny hevi-dehibe novohiziny tamin’izany dia ny hisian’ny sampan-draharaha afahana mikarakara ny fitarainana mikasika ny tsy fandehanan’ny raharaham-panjakana, sy ny fiarovana ny zon’ny olom-pirenena. Eo amin’ny lafiny kolontsaina, dia toy ny fitiavany an’I Madagasikara ihany no nankamamiany ny faritany sy ny karazana nimpoirany. Koa izy dia anisan’ireo fito mianadahy nanorina ny fikambanana Fianakaviambe, satria aminy dia tsy mifanohitra fa mifameno ny fitiavana an’I Madagasikara sy ny fitiavana ny faritra niaviana: harena tokoa ny fahasamihafana! Nahafinaritra sy nahaliana an’I Ranjeva Pierre ny niaraka tamin’ireo mpikatroka tanora, ka nahatonga azy namporisika ny fananganana ny fikambanana GLM (Groupement Liberal de Madagascar) sy nahatonga azy nanaiky niara-nanorina ny Onjam-peo Feon’Imerina niaraka tamin’ireo tanora vitsivitsy tamin’izany fotoana. Ray aman-dreny nitari-dalana tokoa izy ary rehefa tsapany ny fotoana tokony hiatoana dia nampihariny ny hoe «ny tehina entin-dray aman-dreny, ny entana entin-janaka». Fantatry ireo tanora notolorany adidy rahateo fa tsy misy ray aman-dreny manolo-bato mafana ny zanany ary efa novolavolainy rahateo ireny tanora ireny ka dia niantsoroka ny adidy rehefa notsofiny rano hahaleo ahalasa satria hary elatra! Ho famaranana, dia tsy ihambahamba ny tenako manambara fa Ranjeva Pierre dia olona sangany tamin’ny sehatra rehetra nandalovany, ary tena tsara ho faka tahaka. Raha teo amin’ny sehatry ny asam-panjakana, dia niavaka tamin’ny naha «grand commis de l’Etat» azy izy. Nentiny teny anivon’ny fiaraha-monina manontolo izany toetra miavaka izany ka nitondrany fampivoarana. Azo lazaina ary fa fiainana feno no niainan’ Itompokolahy, na dia tsy misy aza ny tonga lafatra eto an-tany. Efany ny adidy napetraka taminy teto amin’ity tany fandalovana ity. Afaka mirehareha ny fianakaviany fa maro ireo vato namelan-kafatra amin’ny sehatra rehetra izay nizarany fahalalana, nizarany fahaizana ary namindrany trai-kefa. «Varavaran-kazo anjaran'ny velona ary ny varavaram-bato anjaran'ny maty», koa: Mandria am-piadanana, Ny Andriana Ranjeva Pierre. Tena nitondra ny anarany izy (hoe Pierre) fa «toy ny vato lava sorona ka izay nametrahana azy nety avokoa»! *Nalaina taminy teny fahatsiarovana nataon’I Mboara ANDRIANARIMANANA, Talehan’ny Famoahana ny boky gazety La Lettre Mensuele de JURECO taminy Lamesaho Fialantsasatra ny Fanahiny teny aminy Katedraly Andohalo Asabotsy 9 Martsa 2019
Plus récente Plus ancienne