Adin’ombalahin’ny mpianakavy… fa ny ahiahy tsy hihavanana…noho ny fanatontoloana…


Vitsy, mba tsy hilazana hoe zara raha misy, amin’ireo kandida ho filoham-pirenena sy ireo mpanara-dia azy ireny no mahatakatra fa « fifaninana » ny fifidianana : i) fifaninana fandaharan’asa ; ii) fifaninana fandresen-dahatra ; iii) fifaninana fahaiza-mitarika, sns. « Noho ny fanatontoloana » tsy azo nihodivirana dia noraisintsika malagasy ho soatoavina ny demokrasia na dia olana fototra ho antsika aza ny handikana sy hamaritana azy : « fanjakan’ny maro an’isa » ho an’ny ankamaroany kanefa ny nitaizana an-dRamalagasy toa tsy natao hankasitraka ny didin’ny be sandry sy ny be noho ny vitsy. Tsy hialina andro ny amin’izay mety ho famaritana sy fandikana isika saingy tsy maintsy natao tety am-piandohana ny fanamarihana mba hazava tsara ny fefin’ny fanehoan-kevitra. Ny tandrefana no nandovantsika ny demokrasia sy ny singa rehetra mandrafitra azy ary ny fomba fisehony ; saingy tsy nosedraintsika ny dingana rehetra nolalovan’izy ireo, izay nahatonga ny rafi-pitondrany ho « fitaratra ». Tsy azontsika veroka ihany koa ny ambadika -politika sy ara-bola- rehetra mahatonga azy ireny hanana endrika mirindra, ka mampanonofy ny tany mihevitra azy ho mahantra indraindray. Tsy hitsikera ny fiezahana ho vazaha tsy akory no tanjona etoana, fa haniratra ny mason’ireo izay mbola manam-panahy, ka ny saina no taova handinihana sy hieritreretana ary hanapahana hevitra. Fomba toa zary miely maneran-tany ankehitriny ny fifanaratsiana amin’ny samy mpifanandrina, na inona sehatra na inona : varotra, politika, diplomasia… Amin’ny tany « mandroso » sasany aza moa dia ny fanaratsiana ny mpifanandrina mihitsy no fototra hanorenana ny paikan-tserasera sy ny fampielezan-kevitra rehetra. « Noho ny fanatontoloana » dia efa nolovain-dRamalagasy koa izany fomba fanao izany ; ary amin’ny sehatry ny varotra sy ny politika no tena hahazoan’izany vahana. Tsy atao mahagaga intsony raha mifandramatra ny mpomba ny kandida roa samihafa, rehefa mifanehatra eny an-dalambe satria samy mihevitra azy ho « akanga maro tsy vakin’amboa ». Ny kandida tohanan’izy ireny mihitsy aza moa no tsy misalasala mifanaratsy sy mifanebaka ary miampanga lainga mihitsy indraindray anatin’ny kabary sy fandraisam-pitenenana ataony, satria samy mahay fa « ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra ». Azon’ny saina ekena ihany izany « noho ny fanatontoloana », satria hazakazaka no hatao ka izay « maranitra sy matanjaka » no manana herijika indrindra ; na tsy maintsy hanosena ny soatoavina maha-malagasy sy maha-olombelona tsotra izao aza. « Noho ny fanatontoloana » dia zary nampitoviana dika ny « mpifanandrina - mpifahavalo - mpifaninana ». Tsy tsaroana intsony fa amin’ny adin’ombalahin’ny Malagasy razantsika dia tsy nisy nohobiana na nakoraina, satria samy mpianakavy ; ny manao « tsindrio fa lavo » sy ny « aza tratrako » aza no tena himati­matesana ho an’ny sasany ankehitriny. Handaniam-bola ny manakarama maty fanahy hanakorontana ka handefa omby handrava lanonana ataon’ny kandida lazaina fa tsy mahavory vahoaka ; soketaina amin’ny siotsioka sy ompa ny kandida lazaina fa tsy misy mihaino satria mampiesona ; sakanana tsy handroso sy ho tody amin’ny toerana handehanany ny kandida lazaina fa efa tapi-dalan-kaleha ; fofoina mihitsy ny ainy ka torahana ny kandida lazaina fa efa maty sy nalevina teny amin’ny kianjan’ny mpanongam-panjakana. Izany ny endriky ny fifaninana demokratika eto amin’ity nosy malalantsika ity : samy manao izay danin’ny kibony ka izay tsy mahatanty mipit(s)ika. Izany no fitsipi-dalao amin’ny adin’ombalahy ankehitriny ka sintonina ny mason’ny andrim-panjakana demokratika hanaraka akaiky ny toe-draharaha fa miahiahy sahady ny Malagasy toa anay -tsy nitsahatra ny namerimberina hoe ratsy fanomanana ity fifidianana ity- sao ho avo folo heny amin’izany ny endriky ny demokrasia ho hampiainina anay « raha sanatria voafidy (farany) eo ireo », hoy i Sareraka namany izay. par Ranaivoson Fydélis
Plus récente Plus ancienne