Faingafaingana


Alatsinainy tokoa afak'omaly. Tamin'ny valo maraina, teo ho eo, amin'iny sisiny ampitan'ny ranon'Anosy iny, telo mianadahy mbola kely : izy telo ihany no teo, tsy misy olon-dehibe. Falifaly be ry zareo, tsy haiko hoe nahoana, fa nahafinaritra ny nahita zaza tsy mangataka manao vy very ny ainy anatin'ny fifamoivoizana. Indro, avy etsy ampita, nisy rangahy niampita, milanja angady ary miloloha gony feno bozaka. Mino aho fa rain'izy telodahy io olona io, satria sady velontsiky izy namonjy ny ankizy no ireto koa tonga dia nitsangana nanaraka azy. Fianakaviana sambatra. Ny anton-teny dia ity : menatra amin'izy telodahy kely sy amin'ny rainy aho satria saika nalaimpanahy hanome vola na dia tsy nangataka na inona na inona aza ny ankizy. Azafady, tompoko ô ! Fa «isika» mantsy efa diso fijery, ratsy fihevitra, tailana fandinihana. Tsy hoe akory sahirana ny olona dia tsy sambatra. Porofo nitohaka tamin'ny tendako ny tsikin'ireo zaza ireo sy ny tabataban-jazany. Firifiry akory «isika», tsy milanja angady an-dRenivohitra, tsy miloloha gony na entana hafa, tsy mitrongy marina vao homana, no lavitry ny tsiky nandravaka ny tavan'izy telodahy ireo ? Ny vola no mety ho maha Rangahy fa «Ny Fanahy no Olona». Tsy voavidin'izay tsipitsipy mety ho nataoko teo ny fahasambaran'io fianakaviana kely afak'omaly io. Ny tanana zatra mitsotra foana no omentsika tsiny fa ny tanantsika faingafaingana manolotra tsara asian-teny ihany koa. Ny olona manome tanana tsy voatery miandry tsolorana vola. Ilay Fanahy maha Olona no mampanaja-tena. Ilay Fanahy maha Olona no tokony hanajantsika ny Olona. Itony Mamalan-kira itony angamba tsy ho hitan'izy telodahy ato ho ato (aleoko malina ihany sao mpamaky L'Express de Madagascar tokoa ry zareo). Raha misy aminareo mpamaky sendra mifanena amin'izy telodahy kely, mba resaho azy ity lahatsoratra ity, dia hafaro azy hoe, menatra Ingahirainy, nahazo anatra betsaka taminareo mianakavy kely, ary dia mirary soa. Soava, Tsarà. Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne