Filoha voafidy


Hafa ihany izany hoe «Filohan’ny Repoblika voafidy». Sa tsy izany Andry Rajoelina ? Arahabaina tsy nanaiky raha tsy nahafafa ny henatry ny 2009. Tandremo hatrany anefa fa ny fandio iray siny, tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Nampitandremako am-pitiavana tahaka izao ihany koa ny Filoha voafidy tamin’ny 2013, Hery Rajaonarimampianina: aleo ny hafa no hiatrika ny fahavalonao, fa anjaranao mitandrina izay hanodidina anao. Io mantsy no aretin’ny mpitondra nifandimby : tsy hita anarina, tsy hay atoro, mihinana amam-bolony ny toro-vohana asesiky ny ao an-dapa. Maro no efa solafaka tamin’izany. Saingy ny tena mampalahelo, tsy solafaka irery fa mitarika ny firenena hitsingidina manaraka azy. Dia ireny Madagasikara alain’ny Kianja 13 mey takalon’aina ireny : 1972, 1991, 2002, 2009. Eny saika 2018 sy 2019 ihany koa aza. Tsy nahitam-bokatsoa ireny rotaka ireny, na oviana na oviana. Isaky ny hiarina isika, dia nitambotsotra indray. Rava fananana, mitondra takaitra, ary indrindra mandrorona toe-tsaina. Fantatra ary hay hatriniela ny fanefitra : mihaino manongilan-tsofina, mampivandravandra ny mason-tsokina, ary tsy mitsaontsaom-poana. Ihany koa, tsy manao am-pihimamba. Tsy manangan-ko fahavalo ny antsasaky ny firenena izay sady tsy nifidy ho an-dRanona na Ranona. Amin’izay rehetra atao, mba hita hoe mitsinjo ny rariny. Amin’izay tetikasa rehetra, mba tsapa hoe sarotiny amin’ny tombontsoam-pirenena tokoa. Amin’izay fanahapahan-kevitra rehetra, tsy manafintohina ny vahoaka indrindra ka mandatsa azy amin’ny fahasahiranany. Lasa vazivazy mahatsiravina moa ity fomba fiteny iray ity, manoloana ny hala-botry ny harem-pirenena sy fanodinkodinana volam-bahoaka : raha mba misy ariary zato, mba amelao roapolo ho an’ilay firenena. Raha ny tokony ho izy, ary angamba izany tokoa no mitranga any amin’ireny firenena hafa mandroso ireny, raha misy ariary zato, farafahakeliny valopolo ho an’ny firenena. Mbola an-dalana mianatra hatrany isika. Mianatra fifidianana, mianatra demokrasia, mianatra repoblika. Misy zavatra kosa anefa efa hain’ny Gasy hatriniela : dia ny miandry laharana rehefa hivoaka ny Fiangonana, na ny mpanambady na ny tranovorona. Misy milaza ny fandaminana ery amin’ny alitara dia mba samy mahay manaja izany avokoa. Gaga sady nalahelo aho no menatra raha nahita ny fibosesehana tetsy Ambohidahy raha vao vita ny fanambarana ny voka-pifidianana. Ny tena nahasosotra dia ity : noho izany fibosesehana, fifanosehana, fisongotsongonana izany, dia sarotra tamin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana no nifandray tanana imason’ny firenena. Ankoatra ny fanambarana izay voka-pifidianana mantsy, indrindra amin’ny firenena mbola an-dalan-demokrasia tahaka ny antsika, milaza zavatra betsaka, mampitsetsetra ny Malagasy olon’ny fo, mampisinda vetivety ny lolom-po isan-karazany, ny fifamelan’ny mpifanandrina. Sary tokony ho natao io fifandraisan-tanana io. Sarin’ny demokrasia : antsasa-manila iray tsofina rano hahaleo hahalasa, antsasa-manila hafa tsy very tsy ho fiaraha-monina. Sary repoblikana, tahaka ny fomba any amin’ny firenena hafa tiantsika hangalan-tahaka ny fifandiran-kevitra anatin’ny fifanajan’ny olona.
Plus récente Plus ancienne