Ambilobe - Nahazo efitra fandidiana ny hôpitaly


Nitokana zava-bita afak’omaly tany Ambilobe ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy adinony ny resaka politika. «Feno 104 taona katroka ny niorenan’ny  tanànan’Ambilobe kanefa izay vao mba nahazo efitrano fandidiana », io fehezan-teny io hatrany no ambeti-tenin’ ireo mpitarika lanonana sy  ireo nifandimby nikabary nandritra ny fitokanana ny efitrano fandidiana iray ao amin’ny  hopitaly  « Centre hospitalier de référence » Ambilobe. Lanonana izay natrehin’ ny delegasiona notarihin’ny Filoha Hery Rajaonarimam­pianina.  Fantatra mantsy fa nandritra izay taona maro izay dia sady lany vola no nisy maty an-dàlana aza  ireo mikasa hitsabo tena any Antsiranana na any Ambanja, noho ny tsy fisian’ny toeram- pandidiana ao an-toerana. Voalaza mantsy fa fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena raha nandalo tao Ambilobe izy tamin’ny  herintaona tany an-toerana no niteraka ny fisian’izao foto-drafitrasa izao. Nambaran’ireo teknisian’ny fahasalamanaihany koa fa volan’ny fitondram-panjakana  madiodio no nahafahana nanatanteraha ny  fanamboarana. Naharitra adim-pamantaranandro roa no nihaonan’ny filoha tamin’ny vahoakan’Ankarabe, izay  niharitra niandry adiny telo mahery ny fahatongavany. Nialohan’izany mantsy dia mbola nandalo nanolotra fitaovana ho  an’ireo tra-boina noho ny hai-trano  tao amin’ny tanànan’Ankazomborona izy sy ireo  ministra roa niara-dia taminy. « Tsy  olana ny fahasamihafana, fa ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana no zava- dehibe», hoy ny Filohan’ny Nosy, izay nahasahy namaky bantsilana ireo mpiray antoko  aminy sy ireo mpiara-miasa aminy,  izay nikasa hanakana ny ben’ny  tanàna Hassimo Bruno tsy  handray fitenenana, noho ity farany lany tamin’ny  lokon’ny  Mapar. « Aza lany andro amin’izany fomba tsy mety  toy izany, fa  teo ianao tsy nifaninana, ary raha nifaninana aza tsy lany. Koa rehefa lanim-bahoaka izy  aoka hajaina ny safidin’ireo nifidy  azy  mandra-pahatongan’ ny fifidianana vaovao », hoy  ihany izy , nanao pi-maso tany amin’ny ben’ny tanàna, sady  nanao sarin-teny ho an’ireo izay mikasa hanongana azy  sy  mivoy ny  fifidianana mialohan’ny fotoana. Ary dia tehaka sy horakoraka no  nandraisan’ny  mpohaino izany. Zava-bita tsy mandeha Fa mbola nasian’ny Filoha tsindrim-peo manokana ihany koa  ny mikasika ny famatsian-drano ao an-tanànan’Ambilobe izay tsy mbola mandeha araka ny tokony ho izy, na dia efa voatokany tamin’ny herintaona aza ilay siniben-drano iray lehibe ao  an-toerana. Nokianiny  noho izany ny  tsy fandraisana anjaran’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, na olom-boafidy  na  olom-boatendry, izay notsipihiny fa tsy  mba nanao tatitra tany aminy akory  mikasika ireo olana tsy  mampandeha io fotodrafitrasa io. « Natao hanompo ny vahoaka ianareo fa tsy  natao hotompoina, ka aoka samy handray  ny  andraikitra tandrify  azy avy», hoy  ihany ny lesona nomeny. Fa nandritra io lanonana io dia novalian’ny filoha mpanorina ny antoko  HVM ny hetahetan’ny  filoha lefitry ny  Antenimeran-doholona Amido, izay  nangataka ny hanamboarana vonjy maika ny làlana Ambilobe-Antsiranana,izay raha tsy voamboatra alohan’ny filatsahan’ny orana dia mety ho tapaka tanteraka. Nohamafisin’i Hery Rajaonari­mampianina ihany koa fa tsy misy fiovàny ny fampanantenana nataony amin’ny fanamboarana tanteraka ny  làlam-pirenena RN6 sy  RN5A  izay mampitohy an’Ambanja amin’ny  tampon-tananan’Antsiranana sy Ambilobe amin’i Vohemar. Nanome toky ny  lehiben’ny faritra Diana, Eddie Tongazara, ihany  koa ny Filoham-pirenena fa hanampy ny  faritra amin’ny fanatanterahana ilay  « Vina faritra Diana sangany » sy ny fametrahana ilay  tetikasa « Zone économique spéciale »,izay  hiarahana amin’ireo Sinoa. Raheriniaina
Plus récente Plus ancienne