Fitaizana fototry ny fiaraha-monina


Fanabeazana no fototry ny rehetra. Matoa isika, tahaka ny akoholahy sy ny masoandro mifanome fotoana eto na samy lavitra aza, matoa isika mahay miresaka izay rehetra nifampizarana hatrizay, azo inoana fa nitovo fitaizana mitovivoty teo anivon’ny fianakaviana sy/na tany am-pianarana. Mampalahelo moa fa tsy tafita amin’ny Malagasy rehetra izany ampaham-pahendrena nomasahantsika izany. Raha tanteraka mantsy izany, faribolana na vala «éducation civique», mahenika ny maro an’isa amin’ilay antsoin’ny Vazaha hoe «masse critique», dia tsy izao fiaraha-monina mifangarika sy mifampihantsy izao no eto Madagasikara. Raha sendra nandoa vola tany amin’ny Jirama aho, farany teo, dia sorena satria ilay mpampiditra indray no manesika ny olona hisisika. Mbola tsy vita akory ny anjaran’ilay teo aloha dia efa tereny handroso ny manaraka. Tsy aritro ka nanariko : «ianareo tokony hampianatra ny olona hahay hilahatra, hanaja laharana, indray no mampiana-dratsy». Tsy mino fa takatry ny sainy akory taiza ary maninona izy no diso. Fanabeazana tokony averina tanteraka, sa fanabeazana tsy nisy mihitsy... Miala tsiny aloha fa tsy misy fiaraha-monina ho vitako amin’ny karazan’olona tahaka izany. Hatramin’izay nilaharan’ny Gasy izay (nilahatra vary sy menaka tamin’ny Revolisiona sosialista, milahatra bus, milahatra taxibe, mandahatra «bidon» eny amin’ny «borne fontaine») dia mbola tsy mahay milahatra ihany ! Zavatra tsotra kely anefa : miandry tantana, manaja laharana, tsy mandindona ny eo aloha, tsy mifampikasokasoka, tsy mifanitsa-kitro. Na ny banky aza moa vao haingana, tsy misy folo taona akory, no mizara nomerao hilaharana ka antsoina tsirairay fa tsy hanao «embouteillages» eo amin’ny «guichet». Io fomba misisitsisika io, mifandindon­din­dona, mifanitsa-kitro, dia hita taratra amin’ny fomba fitondrana fiara eto Antananarivo, indrindra moa amin-dry zareo taxibe. Matetika, raha mba mahay mifandefitra fotsiny, manaiky hoe lalan-droa hihety lalan-tokana, aleo mifandimby hiditra eo, misosa kokoa ny fifamoivoizana. Fa, tsy izany, fa tia kely. Ny hisongona ihany no mahafaty. Tsy resaka «Code de la route» akory izany fa ilay fitaizana, ilay fanabeazana. Izany fomba izany dia taratra ihany koa amin’ny fanao politika. Dimy taona no fe-potoana nifanarahana, fa vao efa-taona sy tapany dia «Mialà». Ny demokrasia tiantsika alain-tahaka anefa, na inona na inona fifandirana, mahandry tantana. Satria, izay mpanohitra androany, manantena tsy hanaovana amboletra ihany koa rehefa izay tonga eo amin’ny fitondrana, ampitso, afak’ampitso. Lahatsoratra telo izay no nifampi­zarantsika teto. Hajao ny zon’ny hafa tsy mitovy hevitra aminao. Raha hitokona koa ianareo, mba ataovy amin’ny fomba mihaja. Dia ity hoe : mianara manaja laharana. Tsy haiko raha misy ho raisina afaka ampidirina amin’ny «éducation civique» atsy ho atsy. Am-bava homana...
Plus récente Plus ancienne