Chronique de Vanf

Aza mba ory hava-manana

Eto Antananarivo. Rehefa mandeha an-tongotra eto Antananarivo, tsy azo atao ny milanja orona sao manitsaka maloto ny tongotra. Manankarena «maloto» Antananarivo : rehoka, lelo, rora-paraky, dikin’olombelona, tain’alika, vary masaka, poti-kanina. Sanatria endriky ny tanàna voatanisa rehefa anatin’ireny soratra tamin’ny taonjato faha-18 ireny, izany hoe 250 taona lasa, efa talohan’Andrianampoinimerina. Nahay nadio ihany ilay Gasy rehefa noriatan’ny Vazaha, araka ny voatantara anatin’ny bokin’i Mompera Rémi Ralibera, ohatra. Nadio ny isam-batan’olona, nilamina ny tokontany isan-trano, voafafa ny arabe iombonana. Ilay fiverenena ny Fahaleovantena tamin’ny 1960 ve ; sa ny Revolisiona sosialista ; sa ve ny Rotaka nisesisesy teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey no anton’izao, fa mahatsiravina ny loto sy ny fofona maimbo tsy misaraka aminy. Ny lalankely fitsangatsanganana taloha, nahavitana nitondra mpizaha-tany mitety iny faritra avon’Antananarivo iny, lasa fanateran’ny sasany maloto. Manginy fotsiny ny tatatra tsy misarona. Ny ranon-dolana isan-tokatrano tonga dia mivarina amin’ny lalana iombonana. Amin’izao andro izao ve dia mbola ilaina ny mampilaza hoe «Tsy Fanaovana Maloto eto» ! Ny tsirairay no tokony handinin-tena amin’ny mba fanabeazana noraisiny fa izany moa ve dia ho andraikitry ny Governemanta na hanomezan-tsiny ny Filohan’ny Repoblika indray koa !

Eto Antananarivo ihany. Natao inona moa no nananganana sy nitokanana ireny «abribus» ireny fa lasa toeram-pivarotana tanteraka ohatra, ny etsy Ambohijatovo na ny etsy Mahamasina ? Toerana tokony hialofan’ny mpandeha miandry «bus» ireny anefa dia ny mpivarotra enta-madinika isan-karazany no lasa mibodo toerana ao anatiny. Indray andro any, rehefa mba tafaverina amin’ny laoniny ny toe-tsaina, ho sarotra ny handroaka ireny mpibodo zava-bahoaka na tanin’olona ireny. Henoko hatraty sahady ny feo, mitaraina mandrahona : «Ny madinika e, ny madinika e». Ho an’ireny olona ireny mantsy dia tokony ho baranahina avokoa ny fiainana manontolo satria sahirana ara-pivelomana izy na diso anjara teo amin’ny Tantara. Iniana bahanana ny arabe, «dony eo», satria na ny fitondranao fiara aza dia efa fanafintohinana ny fahantrany. Karazan’olona tahaka izany, moa hahatakatra velively izay tena vontoatin’ny hoe demokrasia ka tsy ho afangarony amin’ny hoe «samy mandeha, samy mitady» ? Ny tena raharaha dia ireto mpanao politika sasany mitaiza, minia mitaiza, ireny olona ireny amin’izay toe-tsaina mirefarefa izany. Tambazana variraiventy, fahanana vary iray kapoaka, dia vonona handoto rano. Zanaky ny savorovoro, zafikelin’ny rotaka. Antsoina andro dia andro, hanakorontana ; antsoina alina dia alina, hisavoritaka. Folo taona, Dimampolo taona, Zato taona any aoriana any : asa, ho tafarina ihany ve izao toe-tsaina izao ?

Eto Antananarivo hatrany. Mahamasina. Alakamisy. Andro tsena. Fomba inona moa ireto ataon’ireto mpivarotra mibahana ny mponina manodidina ao amin’ny Cité Jardin ? Tsy afaka mivoaka sy miditra ny tranony ny olona, ankoatra ireo izay manolotra akaiky ny «Maternité» Befelatanana, fa mba misy hena-maso ihany angamba tsy hanabataba loatra ny reny sy ny zaza menavava. Raha ny fahafantarana azy, mandoa hetra (na dia ny Jirama isam-bolana aza) ireo tompon-trano rehetra ireo. Mandoa hetra ve ireo mpivarotra, isan’andro isan’andro eo Mahamasina ireo, «tsy Alakamisy tsy andro tsena», araka ilay hira ? Mponina eto Antananarivo aloha ve ireo sa mpihavy isa-maraina ? Naman’ny tsy misy dikany intsony izany fanontaniana sy fanamarihana rehetra izany satria efa nilavo-lefona ny Fanjakana sy ny Tanànan’Antananarivo. Misy soratra ihany eo hoe «tsy azo ivarotana ny sisin’arabe» fa iza no sahy hampanaja izany. Iza no sahy hibedy ireo mpivarotra mitomboka fantsika ny tambohon’olona hanantonany ny entany ? «Tsy lahatra akory ny fahantrana», hoy ilay hiaka indray taona izay. Tsaroanareo moa ilay teny tsy tandrin-dRavony Francisque : «Izaho, hoy izy, tsy mba nahantra izany». Tafintohina izao tontolo izao. Fa nangalatra moa ve izy, sa nandrombaka ny an’ny hafa ? «Villa» avokoa moa ny ao amin’ny Cité Jardin Mahamasina ka angamba kosa, «Heloka ny manana fotsiny, na tsy mbola harena aza». Ny ory hava-manana tsy handroso mihitsy.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter