Afaka mitokona fa mihaja


Tamin’ny farany isika niresaka «Ny zo fototra tsy hitovy hevitra» hoe : misy zavatra mbola mila hianaran’ny Gasy dia ny fanajana ny zon’ny tsirairay sy ny isam-batan’olona. Rehefa «Mitaky zo» dia manaja ny zon’ny hafa, no fihetsika voalohany. Mba tsy hisantatra jadona anefa hoe miady amin’ny jadona. Dia mila mianatra fomba fitakiana ihany koa angamba. 1972, 1991, 2002, 2009, 2018 : natao lalan-kita-kisoa mihitsy ny fitadiavana martiora ka moa va tsy irony «fahavalo» tamin’ny andro gasy, diso mahatoky loatra ny ody am-balahana sy tapa-kazo an-tratra dia sahy manatrika bala ! Ny ankilany moa mihantsy, ny andaniny koa manao zavatra tsy am-piheverena, dia misy olona aroso atao sorona, mba hisian’ny rà latsaka. Iaraha-mahalala anefa fa matimaty foana daholo ireny «martiora» sy «mahery fo», 1972, 1991, 2002, 2009 ary 21 aprily 2018 farany teo ireny. Madagasikara ihomehezan’izao tontolo izao, Malagasy misakafo tapa-kibo, harem-pirenena voaroba, toe-tsaim-bahoaka mandrorona : izany no mba vokatry ny hoe «tolona». Tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 ihany koa dia natao fomban-tany mihitsy ny mandoro fananana : dorana ny Lapan’ny Tanàna, dorana ny tranon’olona, dorana ny Radio-pirenena, dorana ny fivarotana. Mandrava hefa tahaka ny voalavo ny Gasy : ny voalavo ahay, fara faharatsiny, tsy mahalala izay ataony fa biby moa. Ny fanaon’izy biby efa hatramin’ny razambeny lavitra tany dia mbola fomban’izy biby taranaka arivo arivo aty aoriana. Fa ny olombelona kosa afaka manova famindra : tsy mandoro sy mandroba fotsiny fa mba manangana koa indraindray. Soa aloha, hatreto, fa mba miavaka amin’izany fomba ratsy fahiny izany ity 2018 ity. Mbola afaka miova famindra hafa koa. Ny tabataban’ny «karaoke» isam-pokontany sy ny lelalelan’ny «sono» amidy amoron-dalana, miampy ny mpanao «dokambarotra» mivazavaza anaty fifamoivoizana, efa tsy hita izay anaovana azy, ilaina ve ny mandefa hira mitatatata hitaomana ny mpitolona ? Ny «tolona» marina ve no anton-diany eo sa ny korana ? Raha fitakiana politika eny an-kianja na an-dalambe, ndao atao hoe efa «fomban’ny 13 mey» mbola tsy hitany izay maharatsy azy. Fa raha fitakiana sendikaly, mikasika ny tambin-karama, ny mari-karama, ny «hasina», indrindra fa eo anivon’ny toeram-piasana ihany ny fitokonana, ilaina ve ny manao ambiance «boîte de nuit» sy mitsoka «sifflet» ? Indray mandeha izay, tamin’ny fampisehoan-dry Mahaleo dia nisy mpijery nanirikiry loatra an’i Bekoto. Dia hoy izy taminy : «Tsy voatery mitabataba anie ialahy vao fantatra hoe faly e !» Tsy voatery manakorontana ny manodidina amin’ny hira sy siotsioka vao fantatra hoe mitokona. Mba misy fomba fitokonana mihajahaja kokoa noho ny fanaon’ny jiolahimboto eny an-tsena sy an-dalambe. Anjaran’ny karazan’olona sasany, izay heverina fa mba manana ny maha izy azy eo amin’ny fiaraha-monina, no manome ohatra tsara ho tarafina fa tsy izy indray no handrorona hanaran-kefa ny fomban’ny sasany. Misy sary mantsy, vidin-kaja, vidim-boninahitra. par Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne