Mahazo miteny ve ? Hoe :


Toa voatora-bato isika rehefa manitsy lesoka miharihary ? Niverimberina foana andro vitsy lasa izay ny teny hoe «lynchage médiatique» taorian'ireny zavanitranga nampangoritsina ny rehetra ireny ka nampiteny ny moana sy nampanoratra ny garabola. Aza tsiny indrindra fa tsy voafetra ho an'olombitsy, efa mivoavoa mandava-­taona isak'izay mahatsiaro sy nahazo kely na mafana io na setroka na tsindrona na vola, ny fahafahana miteny sy manoratra. Fotoana izao hahatsapan'ireo mpibedibedy lava fa raha malalaka hiteny izy ireo dia misy olonkafa manana io fahalalahana io ihany koa, saingy mahafehy ny lelany hangina, ary mahay mandanjalanja ny tranga rehetra. Fa rehefa misy fetra ihoarana kosa dia misy ireo teren'ny feon'ny fieritreretany hiteny, fa efa fanteniny kosa izay holazainy ary avadibadiny impito ny lelany vao miloa-bava izy. Izy ireo no mahalala ny hoe ny hendry mody voky, sy ny hoe ny tsy itenenana betsaka, ny mamerina azy no sarotra ! Ireo olona ireo ilay maro anisa mahalala mangina hatrany nefa mijery kosa sy manaraka tena akaiky izay rehetra mitranga ao anatin'ny ireny fandraisam-pitenenan'olombitsy mihevitra fa kianja voatokana ho azy ny tambazotra ifaneraserana ary izay lazainy ihany no marina. Ny fanakianana azo atao ireo maro anisa fotsiny dia ny hoe fiaraha-mitaiza ny fiaraha-monina, eny fa na dia eo amin'ny tambazotra aza. Ka raha diso mifehy tena loatra ka hangina hatrany izy ireo dia ompa sy vazavaza, ary fandraikirekena lava no manomana izay solofo sy dimbin'ny ala ho an'ny ampitso, na dia irariana ho vanona aza izany. Etsy an-daniny tokoa mantsy, ireo mihevi-tena ho tompon'ny tambazotra toy ny facebook sy tsy mitotaly ny hafa dia mahalala marimarina fa ankoatry ny zava-­mahadomelina homany isanandro dia na izy izay misy ambadika politika misolitika, na koa izy olona mahatsiaro atao anjorom-bala foana na efa nahazo ampaham-­pahefana aza. Na ekena koa fa mba te hilaza izay mandalo ny sainy heveriny fa marina izy indraindray. Rehefa tena zohina dia olombelona no halany na koa arovany. Fa raha mba hevitra no ifanakalozana amin'ny fomba malalaka dia miala avy hatrany izy. Fifanoherana hatrany no tanjony. Miantsoantso fampitovian-jo izy fa ny tombontsoany irery ihany no katsahiny, mitoroka «lynchage médiatique» izy nefa ny ampaha-zaton'ny ataony isanandro no miverina aminy noho ny maha-mamoafady ny ataony. Ny sombin-kazo eny amin'ny hafa hatrany no tazany fa ny andry manoloana ny tarehiny adinony tanteraka. Sady miondrika homan-ketsa izy no mody miala tsiny, no sady mbola miantso namana miandranan­drana avo vava. Farany izay zokiny raha fandrom­bosana fa hay maharary ambava fo avy hatrany raha vao omena fanitsiana mivantana efa voalanjalanja. Tsara ampahafantarina fa raha eny ampahibemaso no sehatra nosafidiana hanaovana hadalana sy hanasana matetika lamba maloto dia tsy tokony hampitaraina raha izay vavan'ny olona tafaporitsaka eny ampahibemaso ihany koa manitsy azy. Fa tsy hoe aleo izy mba anarina miafina, raha tsy izany dia «lynchage médiatique» avy hatrany! Tsy izany ve no antsoina hoe mpanao jadona sy mpitari-bato vilam-bava ? Olombelona fenetriben'ny fiaraha-monina tahaka ireny no hamono ny fahalalahana sy fahafahana miteny, eny fa na ny demokrasia mihitsy aza. Satria tokoa mantsy ireo izay manana hevitra hafa noho izay ampivoizina azy izy dia voaheloka avy hatrany ho misolelaka na mianakendry. Ambetitenin'izy ireo matetika ny fanajana ny tany tan-­dalana, fampiharana ny rariny, ny fikatsahana ny marina ao anatin'ny fahaleovantenan'ny Fitsarana, ary ny fanomezana ohatra tsara. Aoka hampiharina sy atomboka amin'izay miventy izany ireo hevitra tsara voalaza ireo, satria natao ho an'ny rehetra tokoa izany fa tsy sanatria natao fitaovana entina manao teti-panorona eny an-tanan'ny mpikarama an'ady ihany ! Ambava homana, am-po mieritreritra... par Randrianoavy Rasalama
Plus récente Plus ancienne