Chronique de Vanf

Fitaizana : alfa sady omega

Horonan-tsary roa miparitaka amin’ny Facebook. Feon-dakoloson’ny andaniny sy ankilany mifanipaka. Ka inona marina izany no tena nitranga tetsy Antanimena teo amin’ilay Mpisolovava sy ireo zanaka Jeneraly ?
Ny hitam-poko hitam-pirenena aloha dia ny ompa, fandrahonana, fampandoalihana ary daroka, miaraka amin’ny fandrangarangana basy poleta sy «fanindriana» polisy.
Matoa ny fiaraha-monina ankehitriny nisafidy hametraka ny hoaviny ampelatanan’ny didy aman-dalàna dia ny tsy hisian’ny fanjakan-jiolahimboto intsony ka ho foana ny didin’ny be sandry. Mba ho matanjaka ny marina, fa tsy ny matanjaka no ho amarinina.
Mihataka lavitra amin’izany tarigetra izany ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny. Fifanajana fara-fahakeliny, ahafahana monina-miaraka, mbola hifanolo-bodi-rindrina, efa zary tsy ho hita intsony, ka inona no fiaraha-monina ho vanona raha tsy misy fiovan-toetra sy toe-tsaina goavana !
Ilay olona nikabary izany fiovana toe-tsaina izany indrindra anefa no nanafoana ny «fitaizana ho olom-banona» (éducation civique) tany an-tsekoly, efapolo taona lasa izao. Fa angaha moa vao izao taona 2018 izao no nandrenesana ny hoe «Tsy hain’ialahy angaha aho, zanak’i Ranona» : zanaka Jeneraly no voatonotonona ankehitriny, saingy firifiry akory ny «zanaka CSR», «zanaka HAE», «zanaka CST», «zanaky ny Praiministra», «zanaky ny Président», misavika ny voninahitry ny raiamandreniny ka nanao Ra-matahora ?
Iza no manana alalana mitana basy am-balahana ? Raha olon-tsotra fa tsy Mpisolovava ilay voa, ho nahoraka tahaka izao ve ny resaka ? Ahoana no tokony handraisana ireny fanambaran’ny Praiministra ireny hoe «tsy hanaiky fitsabatsabahana, na iza na iza ireny» : satria efa fomban-tany nahazatra tokoa izany ? Maninona ilay polisy saika handamina no nandeha irery : raha ireny moa no nisy nisavika teo ny kalachnikov teny an-tanany, inona no mety ho nitranga ? Tsy manome tsiny io polisy kamboty io aho raha somary nandefitra izy satria sarotra ny toerana nisy azy : be noho vitsy.
Fa izany fanontaniana izany amiko ambanin-javatra. Ny fiaraha-monina tiantsika mbola hifampitondrana mihitsy no voatohina. Misy fototra simba ao. Ary mampalahelo indrindra fa, rehefa manontany etsy sy eroa, dia manina ny talohan’ny faha-Repoblika tamin’ny 1958-1960 avokoa. Inona loatra no zavatra voapetrak’i Gallieni sy ry Mompera Jesoita hatramin’ny 1960 ? Inona loatra no zavatra nolovain’ny VVS sy ny MDRM tamin’ny Misionera britanika protestanta nialoha ny 1895 ? Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, izay niamboho ny taona 1810, tain’omby mivadika aza hono tsy nisy sahy nangalatra intsony. Ary inona kosa no ho tsarovana tao anatin’izay dimampolo taona naha-sata repoblikana ny tany izay : «Fanjakan’ny madinika» 1972, Federalisma fifankahalana 1991, «hazalambo» 2002, fanonganam-panjakana 2009 ?
Mahantra loatra ny ankabeazan’ny Malagasy. Fa mihamaro loatra ihany koa ny mahatra fahendrena. Azo hanina ve izany Fahendrena izany ? Tsia, tsy mofo sy divay io, tsy trondro ampitomboina, tsy mana avy any an-danitra. Fa tsoahy amin’ny fiaraha-monina dia tsy ho afaka monina-miaraka fa hifamono ho faty eto.
Demokrasia no dradraina isan’andro vaky fa inona anefa no hevitra fonosin’io teny io ? Sao heverin’ny sasany fa alalana ho baranahina ? «Tanin’Andriamanjaka tian-ko-honena, hoy ny Ntaolo, ka Satan’ny Andriamanjaka tsy ho arahina»…
Amin’izao ankatoky ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filoham-pirenena izao, fanontaniana tahaka izany no iandrasana valiny, sy fitaizana sahady manerana ny faritra lalovany, amin’ireo kandidà roa mbola hifanandrina fa tsy fizarazarana vary iray kapoaka tsy hahavita iray andro na tsipitsipy akanjo ho vorokitsay rahampitso raha tsy efa matevin’ny tseroka.
Ho an’izay mbola mazoto hanohy ny vakiteny, indro averina eto indray ireo «Hafatrafatra» efa nosoratana tamin’ny volana septambra. Fototra tokana, tsotra, anefa latsa-paka : Fitaizana.
Fitaizana no Demokrasia. Fitaizana hahalala tokoa ny zavatra rehetra ary hitazona mafy izay tsara indrindra. Fitaizana ho fahalalana, fitaizana ho fihavanana, fitaizana ho fahalalam-pomba, fitaizana ho fifanajana, fitaizana ho fahamendrehana, fitaizana ho fiaraha-monina, fitaizana ho fahendrena.
Demokrasia ho fifanajan’ny zo tsirairay tsy mifanitsaka, tsy mifandrahona, tsy mifanelingelina. Demokrasia lanja miakatra amin’ny tsara kokoa hatrany fa tsy demokrasia mandrorona isan’andro vaky.
Fianarana ny Demokrasia. Ny soa fianatra, ny tsara fakan-tahaka. Tsy misy antony mihitsy tsy ahatakaran’ny Gasy fiaraha-monina mirindra ara-politika, ara-toe-karena, ara-piaraha-monina, tahaka izay fahita any amin’ny firenena tandrefana tsiriritintsika.
Fitaizana ny Demokrasia. Fifampitaizana. Ny zo mitaky andraikitra. Ny fahalalahana tsy baranahina. Ny fitovian-jo tsy manandoka saranga ho fanjakan’ny madinika.
Fanjakana ny Demokrasia fa tsy jadona. Fitondrana araka ny Lalàna. Fitondrana araka ny Hitsiny sy ny Rariny. Fahefana misy tombana, fahefana misy tambiny, fahefana refesi-mandidy.

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter