Indray andro, Madagasikara...


Ry Ministra isany, Ry kandidà hirotsaka ho Filoham-pirenena, Ianao ihany koa Andriamatoa Filohan’ny Repoblika : «indraindray, mba mandehana tongotra mizaha ifotony ny zava-misy. Tsy mila mandeha lavitra manao “Mada Raid” akory, satria raha izao no fahasahiranana ampototry ny Rova, tsy takatry ny saina izay fahoriana any tany lavitra Andriana rehetra any». Ny fako tsy voaraoka intsony, ny voalavo milalao manerana ny bozabozaka tsy misy manapaka intsony, ny lalitra manambolo ny fofona maimbo manerana ny tanàna. Ditsaka, rehoka, hoditr’akondro, etsetra etsetra mahatsiravina. Zava-misy izany. Itony zaza tsy misy miahy, avelan-dreniny mitomany irery imoron-dalana : taiza no nisitrika natory alina, mitomany noana sa mitomany nilaozana ? Misy olona dia miteratera-poana, manafintohina satria miteraka fahasahiranana ho an’ny fiaraha-monina. Ho atao ahoana ireny zaza ireny, ho lasa inona ireny, mpanendaka, mpamaky trano, mpamono olona, raha sendra ka tsy matimaty foana anaty dabam-pako ? Zava-misy izany. Ireto olona marobe lasa mpivarotra manemitra arabe : osa tokoa angamba ny toe-karena ka lasa mpivarotra enta-madinika ny androantokon’ny Malagasy. Tsy misy intsony ny arabe, tsy voahaja ny tambohon’olona, voabahana ny vavahadin’olona, voakotaba ny filaminan’olona. Korontan’entana, korontam-by, maraina, antoandro, hariva. Zava-misy izany. Rehefa tsy an’arabe dia ny trano fonenana no tefitefena ho fivarobarotana sitrany ahay : dia very sy simba tanteraka ilay endrik’Antananarivo fahizay, nampiavaka azy tamin’ny Tanàna hafa, nahafantarana avy hatrany fa «Iarivo, Haody ry Analamanga». Ny maha «Trano Gasy» ny «Trano Gasy» tsy azo hanina, tahaka ilay fiteny maivan-dohan’ireo nilaza azy ho mpitolona, ka aleo aloha manakatra biriky na dia hangarika amin’izany aza ny lavarangana miavaka, hivarotana mofo gasy sy ramanonaka. Zava-misy izany. Ny vidim-piainana ihany koa tsy zakan’ny maro intsony ka sarotra izany hitokan-trano : ilay «Trano Gasy» tetsy ambony, rehefa tsy lasa trano maintin’ny molaly nandrahoana mofo gasy, dia tefitefena sitrany ahay efitra iray amboniny. Ny rivotra fohana maimbo, ny tany diavina maloto, ny manodidina tazanina ratsy tarehy. Zava-misy izany. Dia iny ny mpanao politika, na ny efa teo na ny mbola mikasa ho eo, tsy henatra tsy tahotra, tsy mataho-tody, mamahan-dalitra. Mitonon-tena ho mpamonjy. Mampanantena izay tsy vitany hatrizay. Dia iny ilay hoe vahoaka, tsy leo manantena tsy misy, mbola miandrandra fahagagana tsy hita hatrizay, manoso-menaka ilay nosoran-tay vao omalin’ny omaly. Demokrasia hono izany. Dia io ilay Madagasikara, tany kanaana taloha lasa valalan’ amboa, valam-paria anivon’ny riaka itsoahan’ny olony mandeha botry mamonjy Mayotte : voalevim-belona mihitsoka anaty hady, ifandroritan’ny bodo sy adala, sanatria tranon’olon-dratsy idiran’olon-tsy vanona. Dia ireo ry Malagasy, tsy hita hoe ahoana : mampalahelo manafintohina. Ho ampiana, toa efa voaozona. Tsy ho ampiana, mba olombelona ihany. «Gasy ka manja» anaran-tsy very, tsy manaiky ho diso, fa manondro molotra ihany : rehefa tsy ny Karana, dia ny Sinoa ; rehefa tsy ny Sinoa, dia ny Vazaha ; rehefa tsy ny Vazaha, dia mikimpy amin’ny lahatra sy vintana ary anjara. Miantso marain-tsy hariva an’Andriamanitra : tena tsy hitan’ny hafa marina tokoa, fa andrin’ny Gasy foana. Indray andro, hono, izany Madagasikara izany...
Plus récente Plus ancienne