Chronique de Vanf

Iny lalana iny…

Vita izany izao ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato. «Izay ve vao vita ?», hoy ny sasany. «Rahoviana no ho simba sahady indray ?», hoy ny hafa. Raha ny fitarainako lavareny niharitra tsy fidiny ny fitohanana (tsy sahiko atao intsony hoe «embouteillages» indraindray satria dia efa mamono motera manao «parking» anaty arabe avokoa) isaky ny handalo Andranomena, Ambohibao, Imerinafovoany, dia sarotra no tsy hisento afa-pahoriana.
Adino vetivety ny alahelo an’i Laniera : «Adieu Laniera» (26.03.2016), «La route avance (certes), la nature recule (trop)» (13.08.2018). Saingy latsa-paka loatra ka ahiana hiverina haingana dia haingana raha toa ka, ankoatra ny «ranontany» nokikisana tamin’ny tendrombohitra voatery naetry, hisy solika sy loto hafa mahazatra loatra eto Antananarivo ka hamono tanteraka ny maha Laniera an’i Laniera. Vita ny lalana : arahaba soa, arahaba tsara. Ranontany raraka an-drano tokoa ireny ka tsy hody an-kavoana intsony fa ny sisa kosa no tsy atao be. Efa nosolaina Ambohitrandriananahary, efa nosolaina Ambohidava, efa nosolaina Mahatsinjo… Na Ranontany io na «remblais», lavaka foana (izay efa tafiditra anaty dictionnaire rahateo).
Izay nataon’olombelona tamberin’olombelona : indray andro any, raha mbola tsy tara loatra ary rehefa resy lahatra daholo isika, mino aho fa mbola hitehaka tetezana lavabe tahaka ilay vao notokanana tany Shina farany teo, 23 oktobra 2018, mandingana fa tsy manempotra ny ranon’i Laniera : dingan-davan’i Darafify sa Rapeto, manitsaka Tsarasaotra ny ilany, mby avy hatrany Ivato ny faladia faharoa.
Ny tany Shina mantsy, tetezana 55 kilometatra, tetezana lava indrindra manerana izao Tontolo izao ambony ranomasina, ka mampitohy an’i Hong Kong, Macao, Zhuhai. «Mahay zavatra ny Vazaha», hoy ny fitenin’ireo Gasy konka. «Mahay raha koa ny Sinoa». Ary Sinoa no isan’ny mpanantanteraka ny ankabeazan’ny asa goavana eto Madagasikara. Ka ilaina ve ? Mety ve ? Hay ve ? Sinoa no nanao io lalana Tsarasaotra-Ivato io : isika no kely famaritra fa tetezana 55 kilometatra ve hainy, izay 11 km ho inona tsy ho vitany.
Ny lalana hono tsy azo hanina, hoy ny hiaka tamin’ny rotaka 2009. Fa raha tsy misy lalana, raha tsy misy ifamoivoizana, na an-tanety io, na an-dakan-drano, na an’habakabaka : ho aiza ny vokatry ny Tantsaha ; iza no mpampianatra ndeha hanao sesitany any ; hisy dokotera hanao sorona ny ainy hitontontonona adin’ny telo hanalana roapolo kilometatra ve ; ho tonga any ve ny zandary mpitandro filaminana ?
Ary satria hihady levenambola (fanaon’ny Ntaolo mampatsiahy ny zava-bitan’ny Razambeny), hiravaka ny andaniny, hisavika ny ankilany, hifandrirotra «iny lalana iny», aleo aloha tsiahivina ihany fa «route Debré» iny lalana Laniera iny, araka ny anaran’ilay Mpanolo-tsaina akaiky ny Jeneraly de Gaulle, sady Praiministra frantsay (1959-1962) no solombavambahoaka nisolo-tena ny tatsy La Réunion (1963-1988). Fomban-javatra e : izay «tratra farany» no mandova ratsy na kosa misantatra «zava-bita».

Commenter

Ce formulaire recueille votre nom et adresse e-mail afin que nous puissions valider votre commentaire. Veuillez consulter notre politique de confidentalité afin de prendre connaissance sur la façon dont nous protégeons vos informations.
Je consens à ce que L'Express de Madagascar collecte mon nom et email..

Cliquez pour commenter

Publicité

Publicité

Publicité

Publicité