Silamo misaron-tava tsy ihavanana


Tratry ny Taona isika mianakavy. Ho ambetin-teny mandritra ity volana janoary ity izany. Ho isan’ny fotoana fifanomezana malaza indrindra dia ny fiarahaban’ny Filohan’ny Repoblika. Tsy voatery ho lanonana tokana handaniam-bola mety ho fanafintohinana eny amin’ny Lapam-panjakana indray, fa azo tsara zaraina hiandalana : iray hiarahana amin’ny andrim-panjakana, faharoa hafa hifanatrehana amin’ny masoivoho iraisam-pirenena, fahatelo manaraka hanasana ny solontenam-piaraha-monina. Ka ny kabary tokana, ora iray hankaleo, ho tokotokoina hafatra fahaefatradiny avy : mba tsy ho teny lava mamatotra, anefa koa tsy ho teny fohy mihantona. Asa, Andriamatoa Filoha, raha mba tonga an-tsofinao ihany, fa tsy sanatria ka atelin’ireo Tandapa sasany tena maharatsy laza anao, ny fanontaniana tsy nahitam-baliny ela loatra ka zary lasa ahiahy tsy ihavanana rehefa ela ny ela. Raha hifampiarahaba isan-taona mantsy, ka fifampiarahabana fotsiny ihany hatrany, dia aleo tsorina fa fotoana very sy vola ariana. Ny fandraisam-pitenenana amin’ny vanim-potoana tahaka izao taona vaovao izao mantsy dia andrandraina fatratra loatra hany ka mila fitandremana manokana. Tsy hamerimberina fampanantenana poakaty. Tsy hitanisa lainga marivo tototra. Tsy hivarotra saka be loha. Hiaiky ny lesoka no fanetren-tena. Hanazava tsotra fotsiny ny zava-misy. Hamaritra ny fepetra hanarenana. Hanavao ny toky nifanomezana. Maro, Andriamatoa Filoha, ny ahiahy mampizara­zara saina. Singanina eto manokana ny fanontaniana tsy nahitam-baliny mihitsy mikasika ny fanokafana Moske silamo roa arivo. Iaraha-mahalala ny toe-draharaha iraisam-pirenena mahakasika indrindra ny mpino silamo sasany : «Frères musulmans», «salafistes», «Daesh», «Al-qaida», etsetra. Malaza ratsy loatra ny andraikitry ny firenena silamo tahaka an’i Arabia Saodita, izay efa tafiditra atsy Kômôro na Maldiva, amin’ny famokisana lainga ho fankahalana ny finoana hafa ankoatra ny islam. Mailo isika, Andriamatoa Filoha. Olona tsy fanta-pihaviana, misaron-tava, miparitaka vetivety, miely amin’ny Fokontany tsy ampoizina. Iza no tsy ho velom-panontaniana ?  Iza, avy aiza, hanao inona aty amintsika ? Fantatry ny Fanjakana ve firy marina no niditra ?  Nomena alalana fe-potoana firy teto ?  Ary efa samy lasa nitodi-doha nody sa misy nitampify antsokosoko any ho any ? Misy Silamo efa taranaka maromaro eto Madagasikara. Fa Madagasikara tsy mba ilay antsoina hoe «dar al-islam» na hoe «tany silamo», izay sisin-tanin’ny Nosintsika amin’ny Kômôro atsy avaratra andrefana na Maldiva atsy avaratra atsinanana, raha aty amin’ny Ranomasina Indiana. Ny Silamo niray nonina tamintsika teto hatrizay tsy mba nisalobona lamba mainty mampatahotra, tsy nisaron-tava mpamosavy, ary tsy nametrapetraka izao «halal» (fifandian-kisoa) mirentirenty etsy sy eroa ankehitriny izao. Iza, Andriamatoa Filoha, ireny olona ireny ? Tsy mba fomba-tany tety no fihaviny. Firenena ombieny ombieny no sahirana rehefa nampiantrano ireny karazan’olona ireny ka nihevitra azy ireny fa azo iaraha-monina. Tsy vonona haka volon-tany ireny, tsy hanaraka ny fomban’ny tompon-tany, fa izay finoany avy any no tiany hamabo antsika eto : zazavavy tsy handia fianarana, vehivavy ho gadraina hisarontava, lahy sy vavy tsy avela hifanindran-dalana, lalàna sy fomban-tany ho soloina ny didy jadona «charia», lalàna silamo araka ny boky Coran arahina ara-bakiteny, hiverin-dalana any amin’ny taonjato maro lasa efa nilaozan’ny toetr’andro. Kabary zato, teny arivo, Andriamatoa Filoha, fa ity ahiahy tokana ity no ho ambana indrindra ho an’ny Nosintsika amin’ity taona ity sy ato ho ato. Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja
Plus récente Plus ancienne