 09-02-2010

Humeur | Expression | | Idées et débats | |

| MALAGASY
Farafangana |
Olona efatra nahatrarana taolam-paty |
|
Efa manomboka manara-maso ny fihetsiky ny manodidina azy amin'izao fotoana izao ny fokonolona, ka tonga manaitra ny mpitandro ny filaminana. Avy tamin'izany indrindra no nahatraran'ny zandary an'ireo olona efatra niaraka tamin'ny taolam-paty roa gony tao Marolafy-Farafangana, ny alarobia teo.
Ny fivezivezen'izy ireo tsy nitsahatra tao amin'ny tokantrano iray nivantanany, no nanaitra ny fokonolona. Nantsoina ny zandary nijery sy nisava ka tamin'ny fanadihadiana tsotsotra natao no nahasaronana azy efatra ireto niaraka tamin'ny taolam-paty roa gony. Taolan-dava avokoa izy ireo, raha ny vaovao azo, ary milanja hatrany amin'ny 60 kilao any.
Raha vantany vao tonga tany amin'ny biraon'ny zandary tao Farafangana anefa ireo olona ireo dia fokonolona maro be, nisy an-jatony tany mihitsy, no indray nirohotra nitaky ny hamoahana azy efa-dahy.
Nanterin'izy ireo fa fasana tao Ambalavato-avaratra ao anatin'ny distrikan'i Farafangana ihany no novakian'izy ireo nangalarana ireo taolam-paty ireo. Mba hisorohana ny mety ho fisehoan-javatra manahirana dia voatery namindra azy efa-dahy tamin'ny toerana azo antoka ny zandary.
Nefa tsy niala fa nanaraka hatrany ireo fokonolona. Voatery nanapoaka grenady mandatsa-dranomaso mihitsy, araka izany, ny zandary nanapariahana azy ireo. Mbola mandeha moa ny famotorana azy efa-dahy amin'izao fotoana izao.
|
Nirina Rakotoson
Date : 15-05-2009 |
|
|
|
Statistique |
Vous êtes le 31450ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 954 visiteurs en ligne.
|
|
|