Accueil
Edition n° 4678 du 31-07-2010
Archives  

31-07-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Ambohimanarina
Lehilahy maty tao anaty rano

 
Fatin-dehilahy iray, manodidina ny 30 taona eo, no hitan'ny fokonolona nitsinkafona teny amin'ny renirano teny Ambodivonkely Ambohimanarina, omaly maraina. Raha ny fijery azy avy ety ivelany, dia tsy nahitàna dian-dratra izy.
Ny nahavariana sy nampitolagaga ny manodidina anefa, rehefa nobataina ny razana dia nandeha rà avokoa na ny sofiny na ny vavany. Tsy fantatra, araka izany, na nisy namono izy na tratry ny donan-javatra mafy.
Mbola teny aminy avokoa ny fitafiany manontolo. Saingy tsy nisy taratasy mety ho nahafantarana azy na dia iray aza teny aminy. Ny mponina teny amin'ny toerana manodidina ny nahitàna ny razana rahateo samy nilaza ho tsy mahalala azy avokoa.
Tafakatry ny fokonolona teny an-toerana ihany moa ny razana, ary ny Bmh kosa no naka ka nanatitra azy tany amin'ny tranom-paty tany amin'ny Hjra Ampefiloha.
 
Nirina Rakotoson
Date : 02-02-2008
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 42338ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 1421 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar