Accueil
Edition n° 4678 du 31-07-2010
Archives  

31-07-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Vaovao tapatapany
Tetsy sy teroa

 
Migadra dimy taona ireo namaky trano. Nisehoana vaky trano teny Ambohibao, Talata-Volonondry, ny asabotsy 30 janoary teo. Tratry ny fokonolona niaraka tamin'ny entana ny anankiray ny alahady. Rehefa nosavaina ny tranony sy ny tranon'ny anabaviny dia nahatrarana entana isan-karazany. Hita ihany koa ireo namany efatra izay migadra dimy taona. Ilay anabaviny kosa voasazy enim-bolana. Marihina fa trano enina no indray vaky tamin'io alina io.
Lehilahy iray nianjeran'ny trano. Omaly maraina tamin'ny 10 ora teny Ambodirano-Anosizato no nifatratra tany amin'ny tranon'olona ny kamiao mpitondra fasika. Lehilahy iray naka aina teo am-pandriany no naratra ka voatery nentina teny amin'ny hopitaly. Rava tanteraka koa ilay trano. Marihina fa nisy tsy fahatomombanana ara-teknika ilay fiara.
Hanampy ny mpiasan'ny fahasalamana ny Praiministra. Nilaza ny hanampy amin'ny fanatanterahana ny fangatahan'ny mpiasan'ny fahasalamana eo anivon'ny Filankevitry ny governemanta ny Praiministra, nandritra ny fihaonany tamin'ireo sendikan'ny mpiasan'ny fahasalamana. Manoloana izany ary dia mampanantena ny vahoaka ireto farany fa hiasa, ka ny talata sy ny zoma ihany no manao fitakiana.

Nangonin'i
 
Lilia Rajaonah
Date : 09-02-2010
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 45303ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 1926 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar