Accueil
Edition n° 4707 du 03-09-2010
Archives  

03-09-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Anosy
Mpisolovava niakatra fitsarana
Rehefa avy nanitsakitsaka ny vadiny tao an-tranony ity vehivavy mpisolovava iray, dia ny vadiny indray no nampidiriny am-ponja sy toriany eny amin'ny fitsarana.
 
Nanao tsy ho tratry ny aloka kanefa tratry ny alok'akoho. Mpisolovava iray tratra "ambody omby" nanitsakitsaka an-drangahy vadiny tamin'ny mpiasa tao an-tranony, no niakatra fitsarana tetsy Anosy ny talata lasa teo.
Ny volana novambra 2005 no nisehoan'ny raharaha. Raha iny hamonjy fodiana avy namita asa tany anindran-tany iny ilay raim-pianakaviana no nahatratra an-dramatoa vadiny teo ambony fandriana miaraka amin'ny mpiasany. Nentin-kenatra ravehivavy ka lasa nandao ny vadiny sy ny zanany roalahy kely ny volana janoary 2006. Toy ireny gisa nangala-ketsa ireny anefa, ka rehefa vita ny nataony sy nilaozany ny tokantranony dia izy indray no nangataka fisaraham-panambadiana. Amin'ny maha mpisolovava azy moa dia nampiasainy izay fahefana sy fahalalana ananany niarovany ny tenany.
Fitsarana ahiahiany
Ny 13 oktobra 2008 no nambara tao amin'ny fitsarana ny fisaraham-panambadian'izy roa ireto. Herintaona taty aoriana nampaka-bady hafa rangahy ka teo no nampiakatra ny tambavin-dramatoa mpisolovava. Notoriany teny anivon'ny fitsarana indray ilay vadiny fa mbola tsy vita tanteraka, hono, ilay fisarahana ka nahoana ralehilahy no nampaka-bady hafa sahady. Marihina kosa anefa fa ity vehivavy mpisolovava ity dia nanambara fa tsy nahavoaray taratasy fanambarana ny fisaraham-panambadiana raha tsy ny volana septambra 2009.
Ny paik'andro nampakarana ny raharaha eo anivon'ny fitsarana ambony sy ny resaka volan-jaza no namaharany. Tamin'ny lahatsoratra an-gazety no nanehoan'ity mpisolovava ity ihany koa ny ahiahiny amin'ny fomba fiasan'ny fitsarana. « Fanamarihana diso toerana izany, izay atahorana hanimba indray ny fifandraisana efa nihatsara eo amin'ny fianakaviamben'ny fitsarana sy ny mpisolovava », hoy ny mpiaro an-drangahy.
Nampidiriny am-ponja mantsy ity vadiny ity noho ny hatezerany ka mpitandro ny filaminana fantany no nentiny nanatanteraka izany. Ny harivan’io ihany dia nambarany fa nivoaka ny fonja ilay vadiny ka vao mainka nampiemponempona azy. « Fangatahana ara-dalàna teny anivon'ny fitsarana noho ny maha-olona no nataonay ka nahazonay namoaka ny olona arovanay mandram-piandry ny fitsarana. Olona tsy mbola meloka rahateo izy », hoy ilay mpisolovavan-drangahy nanazava.
Nanambara ho tsy mahefa ny raharaha anefa ny fitsarana ny talata lasa teo, ka dia ahemotra ny faha-23 ny volana febroary indray ny fandinihina ny fitorian'ity mpisolovava nanitsakitsa-bady ity. Vao tsy ela akory izay no nisy mpisolovava nanao fanambarana tsy marina raha niaro vadina mpitsara iray nanondraka rano mangotraka ny mpanampiny tao an-trano, dia ity indray tranga hafa manome endrika ratsy ireto olona vita fiofanana sy fianarana manokana hiaro ny marina ireto. Soa ihany fa tsy ny iray na roa hamarara tokoa no hanasoketana ny saonjo iray lohasaha.
 
Andry Ratovo
Date : 08-02-2010
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 8331ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 402 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar