 18-03-2010

Humeur | | | Idées et débats | Courrier des lecteurs |

| MALAGASY
Andohan'i Mandroseza |
Olona fito nisoloky voaheloka |
Olon-dehibe avokoa no indray hiditra am-ponja hanefa ny saziny eny Antanimora. Voampanga ho nisoloky sy nivarotra tanin’olona izy ireo. |
Sazy mihatra telo taona an-tranomaizina, miampy fandoavana onitra mitentina 250 000 000 ariary, no nampiharin’ny Fitsarana heloka bevava an’ireo olon-dehibe fito mianadahy (dimy vavy sy roa lahy) tratra nisoloky sy nivarotra an-tsokosoko tanin’olona teny Amboara Andohan’i Mandroseza. Tany maherin’ny efatra hekitara izay manan-tompo avokoa, no nahodinkodin’izy ireo tamin’izany, nanaovany taratasy hosoka. Nataony mbamin’ny kopian’ny sora- piankohonana sy ny kopian’ny fandovana...
Antontan-taratasy hosoka
Tany amin’ny 2003 ity raharaha ity no niseho. Niakatra Fampanoavana ny taona 2007, ary izao vao niakatra fitsarana. « Afa-po tamin’ny didy nivoaka izahay. Izahay tompon’ny tany indray mantsy, noho ny tetika maizina nataon’ireo olona ireo, no voaroaka tamin’ny tany, narodan-trano sy nitondrana vadin-tany nanala anay », hoy ireo olona 36 mianadahy tena tompon’ny tany.
Nandritra izay fotoana ela izay, nikarakaran’ireo tompon’ny tany ny taratasy rehetra ihany koa, no nanombohan’ireo olona izay voafitaka tamin’ny fividianana ny tany ny fanorenana rehetra. Saika villa daholo mantsy no miorina eo amin’ireo tanin’olona ireo amin’izao fotoana izao.
Tsy nanan-kolazaina nandritra ny fandaharana nataon’ny Fitsarana ireo voampanga. Tao ny nilaza fa tsy nahafantatra na inona na inona fa dia nasaina nanasonia taratasy fotsiny, tao ny nitsotra fa honohono fotsiny no reny hoe tompon’ny tany izy, ka dia tsy nisalasala nikarakara ny taratasy. Notondroin’ireto voampanga rehetra fa i Lala Razaimanana, iray amin’izy fito mianadahy voaheloka, no tena atidohan’ny tetika rehetra. Izy no nikarakara ny famarotana ny tany. Ao anatin’izany ny fikarakarana ny antontan-taratasy hosoka.
Nomarihin’ireo tompon’ny tany fa efa nisy, ankoatra ity fitsarana ady heloka bevava ity, ny didim-pitsarana nivoaka nilaza ny maha hosoka ireo taratasy teny am-pelatanan’izy fito mianadahy mpisoloky. Izy ireo moa dia mitaky ny hamerenana aminy ny tany.
|
Nirina Rakotoson
Date : 18-12-2009 |
|
|
|
Statistique |
Vous êtes le 7613ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 1075 visiteurs en ligne.
|
|
|