Accueil
Edition n° 4707 du 03-09-2010
Archives  

03-09-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Antanjombe
Feno 50 taona ny SFF

 
Nomarihina omaly ny faha-50 taonan’ny Sekoly fanabeazana fototra Antanjombe avaratra, eny Anosivavaka Ambohimanarina. Tonga nanome voninahitra ny lanonana notontosaina tamin’izany ny vadin’ny filohan’ny tetezamita, Mialy Rajoelina, sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Razafimanazato Julien.
Samy nanipika ny fanomezan-danja ny fampianarana avokoa izy ireo. Nambarany tamin’izany ny tsy maintsy hijerena akaiky an’ity sehatra ity. Amin’itony sekoly itony mantsy ho hanefena ny ankizy ho olom-pirenena mandray andraikitra. Vavolombelon’izany ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Aristide Ratsimandresy, izay isan’ny olomanga notefen’ity sekoly ity.
Nisy moa fanomezana « kits scolaires » ho an’ireo mpianatra, nentin-dRamatoa Mialy Rajoelina. Mbola nanolotra fanomezana toy ny kilalao sy vatomamy ary masadroa (biscuits) ho an’ireo mpianatra ao amin’ity sekoly ity izy.
Efa nahatratra 10 000 moa, ny isan’ireo mpianatra efa nandalo tao amin’ity sekoly ity. Nanokatra sekoly ho an’ny ankizy madinika (préscolaire) ny sekoly ary manana trano famakiam-boky sy fisakafoana ho an’ny mpianatra.
 
Nirina Rakotoson
Date : 18-12-2009
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 8353ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 418 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar