Accueil
Edition n° 4566 du 17-03-2010
Archives  

17-03-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Antananarivo renivohitra
Potiky ny orana ny làlana
Manomboka simba indray ny làlana eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izao, taorian'ireny oram-be nisesisesy teo ireny.
 
Saika potika indray ny ankamaroan'ireo làlana eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izao. Feno lavadavaka, mora ihandronan'ny rano. Ny mihotsaka moa tsy tenenina intsony. Nanomboka tamin'ny firotsahan'ny orana no nahasimba azy ireny, ary dia nihitatra tsikelikely teny.
Sahirana, araka izany, ny mpamily fiara, amin'ny fijerena ny làlan-ko diavin'ny kodiarana. Mazàna aza dia miteraka fitohanan'ny fifamoivoizana mihitsy, indrindra fa rehefa amin'ireo ora sy fotoana fandehanan'ny mpianatra sy ny mpiasa.
Tsy hifanjanana
« Hitanay ireny ary tsy mitazam-potsiny azy ireny izahay fa efa manomboka mikarakara, na dia mbola ato anatin'ny fotoam-pahavaratra aza isika », hoy ny talen'ny kabinetran'ny Kaominina, Rabeharisoa Alexandre. Nosoritany fa efa tonga tamin'ny herinandro teo ny fitaovana ho enti-manamboatra azy ireny. Ary efa an-dalam-pikarakarana izany ny mpiasan'ny Kaominina.
Efa manomboka, araka izany koa, ny asa izay ezahina ho vitaina ao anatin'ny fotoana fohy. Amin'io herinandro io, raha ela, dia ho voatampina daholo izy ireny, raha ny fanazavan'ity tompon' andraikitra eo anivon'ny kaominin'Antananarivo ity ihany. Nambarany mantsy fa aleo amboarina dieny mbola kelikely ny simba na dia mbola ato anatin'ny fotoam-pahavaratra aza isika, mba tsy ho simba tanteraka ka handaniam-bola be.
« Iny làlan'Ambatobe iny no nanombohanay azy », hoy ihany ny talen'ny kabinetran'ny Kaominina. Orinasa efa mpiara-miasa amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra no nosoritany fa manatanteraka ny asa, mandrapahavitany. Araka izany dia tsy misy fanavahana ny fanamboarana ireo làlana simba eto an-drenivohitra, na dia làlam-pirenena izay tokony iantsorohan'ny minisiteran'ny Asa vaventy aza, fa hiandraiketan'ny Kaominina daholo. « Izay hahatsara ny tanàna no hatao, ka tsy hifanjanana », hoy izy.
 
Nirina Rakotoson
Date : 16-12-2009
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 10473ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 980 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar