Accueil
Edition n° 4707 du 03-09-2010
Archives  

03-09-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Anatihazo
Lehilahy nodorana tamin'ny asidra

 
Nivotsobotsotra toy ireny main'ny afo ireny ny hoditr'ilay lehilahy nodoran'ny olona tamin'ny asidra teny Anatihazo Isotry, omaly alina. Nanomboka teny amin'ny tarehiny, ny kibony ary ny tongony. Tsy tra-bonjy intsony, araka izany, tany amin'ny hopitaly ny lehilahy fa dia namoy ny ainy teo no ho eo.
Raha ny fanazavan'ny sakaizany, izay tonga nijery ny razana teny amin'ny hopitaly vao maraina, dia tratry ny fokonolona teo am-pamakiana tranon'olona teny an-toerana izy io, ka niharan'ny hatezeram-bahoaka. « Ny namany niaraka taminy, izay tafatsoaka, no nilaza izany tamiko », hoy izy nitsotra. Naboridan'ny fokonolona aloha ity lehilahy ity, vao notondrahany asidra avy eo.
Manambady, saingy efa nisaraka moa ity lehilahy ity. Ary dia tany amin'ny sakaizany izy no nandeha. Ireo fokonolona teny an-toerana ihany nony avy eo, no nanatitra ny razana tany amin'ny hopitaly.
Araka ny fokonolona teny an-toerana, eny Anatihazo Isotry, dia noho ny firongatry ny hala-botry sy ny vaky trano mila ho isan'alina, miseho amin'iny faritra iny, no tena mahatofoka azy ireo. « Manjaka mihitsy ny asan-jiolahy ety aminay, ka izany no mampasiaka ny fokonolona raha mahatratra azy ireny », hoy ireo fokonolona, hentitra.
 
Nirina Rakotoson
Date : 16-12-2009
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 8100ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 214 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar