 03-09-2010

| Expression | Chronique de Vanf | Idées et débats | Courrier des lecteurs |

| MALAGASY
Fanondranana rongony |
Maorisiana nohelohin'ny Fitsarana |
|
Niakatra Fitsarana ady maika tao amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy omaly, ireo olona voampanga ho nikasa hanondrana zava-mahadomelina an-tsokosoko any ivelany, ny herinandro teo. Nisy dimy mianadahy izy no voakasiky ny raharaha, teratany Maorisiana, Pierre Jean Guy, ny iray ary teratany Malagasy kosa ny efatra ambiny.
Ilay teratany Maorisiana, voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina, efaina sazy mihantona. Ireo teratany Malagasy efatra ambiny kosa afaka daholo, nohafahana noho ny fisalasalana. Na izany aza anefa, izy dimy mianadahy ireo dia samy nosazian'ny fitsarana handoa lamandy daholo.
Rongony teo amin'ny 12 kilao teo, izay nafenin'ireto telo mianadahy teratany Malagasy tany anaty patalohany, no nokasain'izy dimy mianadahy ireto haondrana an-tsokosoko any ivelany, ao amin'ny nosy Maorisy, tamin'izay. Efa teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato izy ireo no sarona. Teo am-pisavana azy ireo ny tompon'andraikitry ny filaminana teny an-toerana no nahita rongony tany anaty kilaotiny avy. Ny fibontson'ny entana tao anaty kilaotiny no nampamahina ireo mpitandro ny filaminana.
Nandeha ny fanadihadiana ka tamin'izany no nanondroan'ireto telo mianadahy an'ity teratany Maorisiana ity ho tompon'ny entana sy teratany Malagasy iray voalaza fa nitady azy ireo hokaramaina Ar 1 000 000.
|
Nirina Rakotoson
Date : 16-12-2009 |
|
|
|
Statistique |
Vous êtes le 8140ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 233 visiteurs en ligne.
|
|
|