Accueil
Edition n° 4707 du 03-09-2010
Archives  

03-09-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Maternité Befelatanana
Vita ny efitra famelomana aina
Nasiam-panatsarana ireo efitrano dimy ao amin’ny sampana famelomana aina, ao amin’ny hopitaly fiterahana ao Befelatanana.
 
Niova tsy toy ny endriny teo aloha intsony ankehitriny, ny efitrano famelomana aina ho an’ireo zaza vao teraka na ny « service néo-natal » ao amin’ny hopitaly fiterahana, ao Befelatànana. Nodiovina sy nolokoina avokoa mantsy ny efitrano dimy ao aminy. Ny fikambanana mpanao asa soa MTM na Mamiko ny tany Madagasikara, izay mpiara-miombon’antoka amin’ ity hopitaly ity, no angady nananana i sy vy nahitana zany.
Omaly no nanoloran’ity fikambanana ity, notarihin’ny vadin’ny filohany Lydia Rasoamaka, ny asa vita tamin’ny tompon’andraikitry ny hopitaly, ny Pr Andriampanalinarivo Hery Rakotovao, sy ireo mpitsabo ary mpiasa rehetra ao amin’ity sampana famelomana aina ity.
Nambaran’i Lydia Rasoamaka, fa anisany tafiditra ao anatin’ny asa imasoan’izy ireo ny sehatry ny fahasalamana. Ao amin’ity sampana famelomana aina ity mantsy no itsaboana ireo zazakely tsy tonga volana na hafahafa eo am-piterahana, toy ny manana olana ara-pisefoana (sempotra), tsy mitomany... Na ireo zaza nateraka tamin’ny fandidiana ny reniny aza dia mazàna alefa ao ny ankamaroany ka ampidirina « couveuse ». Eo ihany koa ireo zaza tsy salama.
Saro-pady
« Zava-dehibe, araka izany, ny fikarakarana azy ireo satria na dia misy aza ny fitaovana, ilaina ny miaina ao anaty efitrano madio sy milamina. Ka izany no nahatonga anay nikarakara manokana azy ity », hoy Lydia Rasoamaka.
Nambaran’ireo mpiasa ato amin’ity sampana ity mantsy fa efa ela tokoa no nisy fikarakarana ny efitrano ao amin’ity sampana famelomana aina ity. Nosoritan’izy ireo fa saro-pady ny fahadiovana.
Fisaorana ny fikambanana MTM no nasetrin’ny Pr Andriampanalinarivo Hery Rakotovao izany. « Matotra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny fikambanana tsy miankina toy izao. Ny fahasalamana no voalohan-karena, koa inoana fa hivelatra bebe kokoa amin’ny sehatra hafa ny fiaraha-miasa », hoy izy.
Efa nisy moa ny fizarana « kit bébé » ho an’ireo zazakely vao teraka tao amin’ity hopitaly ity nataon’ny MTM, ny volana septambra lasa teo.
 
Nirina Rakotoson
Date : 07-11-2009
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 8403ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 417 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar