Accueil
Edition n° 4707 du 03-09-2010
Archives  

03-09-2010
  Sommaire
  Politique
  Economie
  Social
  Faits divers
  Malagasy
  Culture
  Sport
  Région
  Océan Indien

Dossier
Reportage



  Humeur
  Expression
  Chronique de Vanf
  Idées et débats
  Courrier des lecteurs

  Notes du passé
  Jadis et naguère



 Avions
 Météo
 Nécrologie
 Taux de change


Nous contacter


MALAGASY

Antanimena
Lehilahy nodonin’ny fiara

 
Torana tsy nahatsiaro tena ilay lehilahy nodonin’ny fiara « Peugeot 309 » tao Antanimena, omaly hariva. Tao ambanin’ilay fiara mihitsy mantsy izy no nosokirina. Ny fokonolona teo an-toerana izay nahita ny loza, no nihazakazaka namonjy sy nanavotra azy. Ny tongony, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, no tena voa.
« Handeha hiampita ny arabe indrindra izy tamin’io fotoana io. Asa raha tsy hitany ilay fiara nisosa avy tany Ankorondrano tany ka handeha hiakatra ho any Antanimena, fa dia voadona teo izy », hoy ity tovolahy iray nitantara ny zava-niseho. Soa ihany, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, fa tsy nandeha mafy loatra ity fiara nandona azy ity ; raha tsy izany dia saika zava-doza no niseho.
Matetika mihitsy no itrangan-dozam-pifamoivoizana toy izao eo amin’ity toerana ity. Nanterin’ ireo fokonolona fa mazàna dia ny fandehanan’ny fiara mafy no mahatonga ny loza, satria sady tsara no malalaka ny arabe. Araka izany, dia mangataka ny hasiana an’ireny tsipika fotsy natokana hiampitàn’ny mpandeha an-tongotra ireny ireo mponina eo an-toerana. Any amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao ilay naratra.
 
Nirina Rakotoson
Date : 07-11-2009
- Envoyer cet article à un ami | - Imprimer cet article

Autres titres





 




Statistique
Vous êtes le 8463ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 441 visiteurs en ligne.

© 2006 - Tous droits résérvés - L'Express de Madagascar
Site réalisé et maintenu par Hexagone Madagascar