 18-03-2010

Humeur | | | Idées et débats | Courrier des lecteurs |

| MALAGASY
Analamahitsy |
Maizin-kitroka ny tanàna |
Miaina ao anaty aizina efa ho iray volana izao ny mponina ao Analamahitsy tanàna. Mirongatra miaraka amin'izay ny asan-jiolahy. |
Nilaozan'ny hazavana tanteraka, efa iray volana mahery izao, ny faritr'Analamahitsy tanàna. Tsy misy mirehitra intsony ny andrin-jiro, na ny eny amin'ny arabe na ny any an'elakelan-trano.
Araka ny mponina eny an-toerana, ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ny fokontany sy hisorohana ny asan-jiolahy, dia nametraka soson-kevitra amin'ny hividianan'izy ireo takamoa ho an'izay andrin-jiro eo akaikiny avy ireo fokonolona amin'ny faritra sasany. Fa fandrahonana no azony.
« Tsy nandrenesana valiny tamin'io soson-kevitray io ny fokontany. Tsy nanakiana no tsy nankasitraka. Misy tompon'andraikitra sasany aza nandrahona anay », hoy ireo fokonolona.
Asan-jiolahy
Nosoritan'izy ireo anefa fa tsy maka tambiny any amin'ny fokontany izy ireo amin'ny fividianana izany takamoa izany. Ary ny mpiasan'ny Jirama no antsoiny hametaka azy.
Ho an'ny fokontany, araka ny Sefo fokontany lefitra, Léon Rasolofonimanana, dia nosoritany fa noho ny fandaminana any anivon'ny Kaominina no mahatonga ny jiro tsy hirehitra. « Mandeha isam-paritra ny fandrehetana ny jiro, ka izay no tsy mbola irehetany », hoy izy. Dia miandry ny fotoana handalovan'ny ekipan'ny Kaominina miaraka amin'ny Jirama eny Analamahitsy tanàna izany vao hirehitra ny jiro amin'iny faritra iny.
Raha ny fitarainan'ny mponina anefa, ary namafisin'ny Sefo fokontany lefitra Léon Rasolofonimanana izany, dia lasa nirongatra izaitsizy tato ho ato, vokatry ny tsy fisian'ny hazavana, ny asan-jiolahy isan-karazany. Toy ny sinto-mahery, ny fanendahana... « Antoandro be izao aza manao ny ataony ny jiolahy, mainka fa amin'ny alina. Amin'izay indray, maizina tsy misy
jiro », hoy ihany ireo fokonolona.
« Niroborobo mihitsy izany », hoy koa ny Sefo fokontany lefitra. Antony iray mampirongatra azy koa, raha ny fanazavan'ity tompon'andraikitry ny fokontany ity ihany, ny fihitaran'ny tanàna. Ary tokony hihitatra, araka izany koa, ny fametahan-jiro.
|
Nirina Rakotoson
Date : 04-11-2009 |
|
|
|
Statistique |
Vous êtes le 2984ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 724 visiteurs en ligne.
|
|
|