 19-03-2010

Humeur | Expression | | Idées et débats | |

| MALAGASY
Analakely |
Be mpitady ny volamena |
|
Mandeha indray ny « tsenan’ny » volamena eny an'Analakely eny. Isak'izay lalana aleha mantsy dia misy olona mipetrapetraka ary manontany volamena hovidiana. Tsy lahy tsy vavy, tsy ankizy tsy lebibe fa samy mifarimbona mitady sy manontany izany avokoa.
Manomboka eo amin'ny Ar 5 000 ka hatramin'ny Ar 20 000, hoy izy ireo, no hividianany ny volamena iray. Tsy lanjaina fa tonga dia atao tomba-maso fotsiny. Tombanana araka ny endriny sy ny habeny.
« Matoa izahay mijanona ety sy manontany mpandalo, misy ny olona mitady mpividy maika», hoy ity renim-pianakaviana nitady volamena. Ho an'ny mpitandro ny filaminana dia anisany mampirongatra ny asan-jiolahy, amin'ny fanendahana firavaka volamena ny fisian'ireny olona ireny. Ireo jiolahy mihitsy no tena mila azy ireny. « Tsy hividy ny volamena entiny mihitsy mantsy ny mpanefy fa tsy maintsy hitaky aminy kara-panondro ary dia ho raisim-potsiny eo izy raha misy fanadihadiana », hoy ny tompon'andraikitry ny filaminana iray.
|
Nirina Rakotoson
Date : 04-11-2009 |
|
|
|
Statistique |
Vous êtes le 8499ème visiteur du jour.
Il y a en ce moment 1028 visiteurs en ligne.
|
|
|