Ataovy filamatra, hono, «ny mifanitsy fa tsy mifamitaka». Izay maneho hevitra mifanohitra amin’ny azy, na tsy mifanaraka amin’izay tiany anefa, lazainy fa «mitsikera be fahatany». Tsy mba sokajiany ho isan’ireo «tia ny firenena» fa tondroiny molotra ho «mpamafy ahi-dratsy hanimba ny voly izay efa nafafy sy nokarakaraina».
Ny mahafinaritra azy mantsy dia izay mihira «dera sy laza anie ho anao» ihany. Ireo tsy mba manaiky sy mino izay mety ho fanakianana nataon’ny hafa, fa manosika sy manohitra izay lazaina fa «fanaratsiana, famingavingana ary fanelezana tsaho sy lainga marivo tototra» no tena heveriny fa tia tanindrazana.
Ireo «mandinika sy miandry fotoana izay hirosoana alohan’ny tena andraisana fanapahan-kevitra» ka tsy mitsikera kanefa koa tsy mitanisa fihobiana aza moa manahirana azy. Rehefa tsy hiventy ny hosana sy tsy hiantsa ny hobio dia efa tsy izy izay. Satria aminy rehefa tsy manohana azy zato isan-jato dia efa naman’ny manohitra azy.
Dia iny tokoa fa manaraka am-bokony ny mpisolelaka rehetra. Miteny izay tian’ilay Filoha hajainy hohenoina. Tanisaina daholo izay asa mba natao enti-mampidera fa nahavita zavatra, hono, ny fitondram-panjakana tarihin’ilay mpitady voninahitra. Na asa andavanandro aza, aderadera ery hoe vita antsakany sy andavany, tahaka ireny dia efa hoe asa be miavaka ireny.
Misy ihany ny tsy fahombizana fa mba hanakontakonana azy dia ireo lazaina fa «mpanakorontana» no tanisaina ho nanao izay rehetra hisakanana ny fampandrosoana. Ailika any amin’ireo tondroina ho mpamboly savorovoro ny tsy fetezana isan-karazany. Rehefa tsy misy ny rivo-doza sy ny tondra-drano hanafenana ny tsy fahaiza-mitantana dia ny mpanao politika sy ny mpanao gazety ary ny firahamonim-pirenena tsy mikiravaty manga no amaharana ny rihitra rehetra.
Ireto farany no nolazainy tao anatin’ilay kabary fiarahabana noho ny taona vaovao tamin’ny zoma fa «eo imaso be henatra, vao takona be fosafosa».
Asa. Be henatra rehefa samy imaso sy be fosafosa any ambadika ve ireo tsy mitsitsy fitenenana sy tsy miafina endrika milaza ny tena marina any anaty gazety na eny amin’ny haino aman-jery.
Dia mba inona izany no ilazana ireo mitehatehaka isaky ny misokatra ny vavany, sy mihoby azy isaky ny miakatrakatraka iny ny vatany sy ny feony, nefa vao any amin’ny takontakona dia ny ataony ihany no ataony  Ary tsy vitany hoe tena tsy manao afa-tsy izay tiany izy ireo vao mitodika ny filoha, fa tena tonga amin’ilay nolazain’ity farany tao anaty kabariny ihany hoe: «mpamosavy malemy, ka manaratsy endrika ny fitondrana sy ny mpitondra».
Ary sao dia mba fotoana kosa ary izao hihainona amin’izay ireo tsikera rehetra ahafahana manitsy ny lalana   Sao dia mba efa fotoana izao handinihana tsara ireo teny toa mamy sy tsara lahatra ny fahenoana azy, nefa rehefa zohiana toa mifono fitaka sy lainga ihany. Tena fotoana mihitsy izao hanokafana ny maso ka hijerena amin’ny saina tsy miangatra ny tsy fahombiazana isan-karazany. Fotoana ihany koa tsy hanentsenan-tadiny intsony fa hanongilanana ny sofina ka hihainoana amim-pitoniana izay mety ho azo raisina ho fanaratsiana sy famingavingana nefa hay teny mampieritreritra …
Eny, tokony ho filamatra ny «mifanitsy fa tsy mifamitaka». Ka raha misy manahirana  any amin’ny maso sy any amin’ny sofina, dia aleo marina manatona manam-pahaizana amin’ny ORL.  Amin’izay mba ny tsikera fanitsiana avy amin’ny tena tia tanindrazana no heno fa tsy ny «dera sy laza ary voninahitra» mamitaka avy amin’ny mpamosavy malemy.

Hoy Lova Rabary-Rakotondravony