Tsongoy fon-tena. Raha izaho, na ianao, na iza na iza, Raiamandreny manana zanaka voasembana amin’ny tsy nofinidy any an-tsekoly, tsy maintsy tezitra.
Fony mbola mpianatra, tsaroana mihitsy ny filaharana hitelina «nivaquine» anoloan’ilay «robinet» iray tokana teo an-tokontanin’ny «Petit Collège». Kolejy jezoita Saint-Michel Amparibe izany, ho an’izay tafara-dia, tany amin’ny taona 1975-1980… Fa talohan’ireny, dia mbola tsaroana ihany koa ny fanaovana vakisiny tany amin’ny Kolejy Sainte-Chantal Soanierana, izay mbola itondrako holatra zara fa hita sisa, saingy mandrak’izao, dimiambiefapolo taona aty aoriana.
«Santé Publique» angaha moa ilay «matière». Fa isan’ny lesona tamin’izany, indrindra raha tany an-dalam-pandrosoana, hoe ny toeram-pianarana no fanararaotra voalohany, haingana, sady mety, hanapariahana ny fitsaboana faobe. Misy vakisiny tsy maintsy atao, misy fanenitra tsy maintsy omena, misy «comprimé» tsy maintsy atelina.
Nahatoky ny olona tamin’izany. Ezaka «santé publique», fahasalamam-bahoaka, efa natomboka tamin’ny andron’ny fanjanahantany mantsy. Raha tsy izany no natao, tsy foana ny «choléra», tsy foana ny «tuberculose», tsy resy ny habokana, tsy lefy ny haromontana.
Ankehitriny, noho io zava-nitranga tany Atsimo-Andrefana io, dia misy alaim-panahy hanafangaro zavatra sy hanao resaka hafahafa. Mpikambana ao amin’ny Rotary moa ny Ministry ny Fahasalamana ankehitriny ka ndeha resahana manokana ny ady amin’ny lefakozatra na poliomyélite. Eken’izao tontolo izao mantsy fa noho ny ezaka manokana antsoina hoe «PolioPlus» dia kely sisa dia foana tanteraka ny aretina lefakozatra.
Tamin’ny volana aprily 2015, dia zaza Malagasy miisa 4.349.600, hatramin’ny vao teraka ka hatramin’ny feno 60 volana no natao vakisiny noho izy ireo, na mbola tsy natao mihitsy na diso fotoana. Niantomboka tamin’ny 1988 ny ezaka iraisam-pirenena niadiana amin’ny lefakozatra. Foana tanteraka izy teto Madagasikara ny taona 1997, 1998 ary 1999. Saingy nahitana indray ny taona 2002. Ezaka tsy azo sangiana ny ady amin’ny lefakozatra ary ny vakisiny ihany aloha, hatreto, no fomba tsara indrindra mbola am-pelan-tanana.
Misy firenena sasany, silamo mba tsy hanononana azy, mihevitra ary manely tsaho fa ny vakisiny miady amin’ny lefakozatra dia miharo kisoa na mifangaro rano mahamomba entin’ny Kristiana tandrefana hahalany tamingana ny Silamo. Hevitry ny tsy nandia fianarana, resaka adala, voky tsaho, mamahan-tena amin’ny fankahalana ankitsirano, ireny resaka ireny satria ny tarehi-marika omen’ny OMS (vondrona iraisam-pirenana amin’ny fahasalamana, izay mba atokisana kokoa kosa noho ny atsanga tsy aman’orana etsy sy eroa) dia mampiseho miharihary fa arakarakin’ny hanaovana vakisiny ny zaza no mampihemotra, ary maha fongotra, ny aretina lefakozatra.
Maninona ary ny hetsika vakisiny nahomby tatsy, ary efa nahazo fitokisana, no lasa ihavian’ny fanafintohinana, ao amin’ny EPP Anketa (DREN Atsimo-Andrefana, Faritany Toliara) ka miteraka sahon-dresaka sy ahiahy   Raha tsy misy fanazavana maha-afa-po avy amin’ny ministeran’ny Fampianarana sy ny ministeran’ny Fahasalamana, tsy hisy intsony Raiamandreny hahatoky izay hetsika vakisiny na «comprimé» ho atao any an-tsekoly.
Any an-tsekoly ve no tokony hanomezana ny vakisiny na ny «nivaquine»   Ho an’ny firenena saro-dalana, be faritra mitoka-monina, tsy ampy toeram-pitsaboana, dia ny sekolim-panjakana aloha no mba mahahenika ny any ambanivohitra tany lavitra andriana rehetra any : EPP isam-pokontany mantsy, hoy ilay filamatra tany amin’ny taona fitopolo. Ny zanaky ny olona sahirana izany no tena tokony hahazo tombontsoa amin’ny fanaovana vakisiny maimaim-poana na fizarana fanafody any antsekoly. Indrisy anefa, tamin’ity indray nitoraka ity, fa ilay fitsinjovana nantenain-kanirina indray no mainka nampivandravandra.
Ankizy 56 amin’ny 288, araka ny tatitra ataon’ny Ministry ny Fanabeazana amin’ny Facebook, no voatery naiditra hôpitaly. Azo an-tsaina ny tahotra sy alahelo ary hatezeran’ny Raiamandreny. Tsy maintsy atao mangarahara ny fanadihadiana sy ny fanazavana rehetra manodidina ity raharaha DREN Atsimo-Atsinanana ity. Mba hampiverina ny fahatokisan’ny olona. Mba tsy hanomezany lamosina ny ezaka rehetra hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka (Hépatite B, choléra, etsetra). Raha tsy izany dia hitambotsitra any amin’ny zato taona lasa indray isika.
Ny dokotera Georges Girard, niasa tany Diégo-Suarez (1917-1921) nialoha ny naha Talen’ny «Institut Pasteur» azy teto Antananarivo (1922-1940), no nahitana ny vakisiny EV (avy amin’ny anaran’ny fianakaviana hoe Evesque, izay maty avokoa ny zanany rehefa avy nilalao voalavo matin’ny pesta) fanefitry ny «peste pulmonaire». Ny volana jiona 1921 no tonga teto Afovoantany ny pesta rehafa namely tao Toamasina sy ny seranana hafa nanomboka ny taona 1898. Ny mpiara-miasa aminy akaiky, ny dokotera Jean Robic, no nandimby azy teo amin’ny fitantanana ny Institut Pasteur (1940-1953). Ny taona 1926 ka hatramin’ny 1932 izy roalahy no nikaroka ary nahita io vakisiny io ary ny anaran’izy roalahy natambatra no nahatonga ho «Girard et Robic» ny hôpitaly etsy Soavinandriana. Tany amin’ny taona 1921-1940, dia ompa sy ozona no nahazo ny Fanjakana nampitandrina ny havan’ny maty tsy hampiditra am-pasan-drazana izay matin’ny pesta ary nandrara ny fanaovana famadihana, mba tsy hiparitahan’ny otrik’aretina. Tsy fankahalana ny fomba malagasy izany fa fepetra ara-pitsaboana. Ary nahomby nahitan-tsoa.
Jejo ery ny dokotera Georges Girard tamin’ny taona 1958, nilaza hoe «le succès le plus marquant de l’oeuvre sanitaire de la France à Madagascar : la disparition de la variole depuis 45 ans». Ny nahafoana ny nendra, nialoha ny Ady lehibe voalohany, hoy izy no tsangambato lehibe indrindra amin’ny asa ara-pahasalamam-bahoaka vitan’ny Frantsay teto Madagasikara. Vakisiny faobe no nahavitana izany. Ary efa hatramin’ny Mpanjaka Ranavalona Reniny no nisy dokotera vazaha nafarana indro isan-taona hanao vakisiny hiadiana amin’ny nendra ka nampianatra Malagasy roa, dia Randrianangaly sy Rafaralahy (jereo E.-R. Brygoo, «Les débuts de l’enseignement médical à Madagascar : un siècle d’expérience», Bulletin de l’Académie Malgache, tome 49/1, 1971, pp.55-109). Tsy ny fanaovana vakisiny no ratsy fa ny tandrevaka sy ny tsirambina ary ny «moramora» mahazatra antsika no tokony harenina.

Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja