Lakilasy ve, Tompoko, hianarana sa natao efitra fivantanan’ny mpizaika, mpanao fanatanjahantena, mpamonjy lasim-piangonana, mpitsangatsangana   Na izany fanontaniana izany aza ve moa tokony hapetraka akory fa sanatria mihitsy isika eto Madagasikara mitrongy tany amin’ny handrina, manosy fotaka amin’ny tampon-doha, mijoro ihany fa mitsongoloka.
Isak’izay misy rivo-doza, tondra-drano, voina isan-karazany, dia lalan-kita-kisoa ny famahana hibanabana ny varavaran’ny sekoly hialofan’ny tra-boina. Ao ry zareo no mahandro hanina ary tsy misahirana maka lavitra
fa ny dabilio na ny tolanam-baravarana no
ataony kitay.
Ny fanabeazana sy ny fampianarana no fototra marina indrindra hijoroan’ny firenena iray ary antoky ny fivoarany. Japana nozerana baomba atomika tamin’ny 1945, telopolo taona mahery kely fotsiny taty aoriana, taona 1979, nahatafavoaka ny «Sony Walkman» niparitaka eran’izao tontolo izao. Manerana an’i Azia, andriamanitra kely mihitsy ny «Senseï» na mpampianatra. Hahagaga ve raha tahaka izao ny fandrosoan’ny Sinoa, ny Koreana, na ry zareo ao Singapore, eny fa na ny Indiana (Karana hoy isika) aza   Vao firy andro lasa izay ilay Ministra avy atsy amin’ny Nosy Maorisy tonga nanome lesona antsika teto : ny fiofanana, ny fianarana, ny fanabeazana, ireo no toko telo nahamasa-nahandro mampisongadina io Nosy kely io : fitaratra aty amin’ny Ranomasina Indiana, anatra maneso an’i Madagasikara, Ariary Be tsy mahavelon-tena.
Aiza moa izany fiofanana, fianarana, fanabeazana izany no hiparitaka amin’ny maro an’isa indrindra raha tsy any an-tsekoly, indrindra raha samy sahirana ny isan-tokantrano
Anefa, araka izay hita farany tany Mahajanga ka voatery nandraisan’ny Ministeran’ny Fanabeazana fepetra fandraràna, ny antsika ny sekoly avela simbain’ny mpizaikan’izao sy izatsy : sady tsy mahalala fomba mba manaja ny zavatr’olona, ka manala baraka ny mpiray fikambanana aminy.
Fianarana, Fanabeazana, Fitaizana : tsy azo ihodivirana fa vitantsika nomena lamosina, mibaribary fa haintsika nodian-tsy hita. Izao, ny ankabezan’ny Gasy, sady tsy mahay, no tsy hendry, no tsy mahalala fomba intsony. Ny ahy, tsy dia izay tarehimarika ara-ekonomika loatra no handrefesako ny fitotonganantsika fa ny Kolontsaina atao zinona, ny fahalalam-pomba raisina ho aingitraingitra, ny tsikalakalam-pahaizana atao ambanin-javatra. Moa tsy ireo no mamaritra ilay hoe «fanahy» maha-olona   Sanatria izany an-dalan’ny ho very fanahy isika Gasy. Ho faty varo-boba izao fiaraha-monina izao. Ka ho lasan’ny sasany ambongadiny na hifandrotehan’ny jiolahy antsinjarany.
Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, 230 taona lasa, nomeny hasina mitovy amin’ny Rova ny Tsena mba ho fiarovana ny varotra ary hitsinjovana ny kamboty sy ny malahelo. Nitomany avokoa isika raha nisy tsy vanona nandoro ny Rova. Miantso tody isika raha misy manazimba ny Fasan-drazana. Tafintohina ny mpivavaka raha sanatria misy mihetraketraka amin’ny Fiangonana. Fa rahoviana ny Sekoly, ny Lakilasy, ny Tranom-boky, ny Tranom-bakoka, ivon-toeran’ny fianarana sy fanabeazana, handrantoana fahaizana, loharanom-pahendrena, no ho omentsika Hasina .

Nasolo Valiavo Andriamihaja