MPANAKANTO NANANA NY LAZANY, NANDRITRA NY LALAON’NY NOSY TAMIN’NY TAONA 1990, TAMIN’ILAY HIRA «TSY MORAMORA MITADY VOLA». NA NIPOITRA AVY AMIN’NY FIANAKAVIANA SAHIRANA AZA, TSY NANAKANA AN’I MILY CLÉMENT TSY HIOITRA TEO AMIN’NY FIAINANA NY TSY FAHAFAHANY NANOHY NY FIANARANY, NOHO NY MOZIKA SY NY FAHASAHIRANANA. TSY MITSAHATRA NY MIEZAKA ANEFA IZY MBA HANARENANA IO LAFIM-PIAINANA IO, KA MAHATONGA AZY MANOHY MIANATRA HATRANY. NIFANERASERA TAMIN’NY MPANAKANTO MARO I MILY CLÉMENT ARY I JAOJOBY NO NAMPIANTRANO AZY VOALOHANY RAHA NIAKATRA TETO ANTANANARIVO IZY. MPANAKANTO IRAY KOSA NO MBOLA ANANANY ALAHELO HATRAMIN’IZAO NOHO NY GAFY NATAONY.

Nahafantaran’ny maro an’i Mily Antoine Clément, na Mily Clément teo amin’ny sehatry ny mozika ny «Tsy moramora mitady vola». Efa tao anaty ran’ity mpanakanto ity hatramin’ny fahazaza ny mozika satria niaina tao anatin’ny kolontsaina sakalava ny Dadabeny sy ny Renibeny. Tany Ambilobe no nandaniany ny fahazazany sy namolavolany ny hatanorany. «Mpanao mozika sy mpiantsa izy ireo», araka ny fanazavany. «Efa hatramin’ny fahazazako aho no naniry ny ho mpanakanto ary nanomboka hita taratra ny fahatontosan’ izany teo amin’ny fahatanorako», hoy ny fitantaran’i Mily Clément ny niandohany teo amin’ny sehatry ny mozika.

Tsy nahazo akory ny mari-pahaizana BEPC 
Efa nibahan-toerana tao an-dohan’i Mily Clément hatramin’ny fahazazany io, hany ka tsy nanao ezaka firy teo amin’ny sehatry ny fianarana sy ny taratasy izy. «Teo amin’ny taona fahasivy aho no nijanona tamin’ny fianarana noho ny antony samihafa, fa tao anatin’izany ny mozika», hoy izy tamim-panetren-tena. Nomarihiny fa tsy nahazo akory ny mari-pahaizana BEPC izy.
Ny tontolon’ny mozika io no nanosika azy hiakatra taty Antananarivo ary mpiara-dia sy manaraka an’i Jaojoby tamin’ny fampisehoana nataon’ity mpanjakan’ny salegy ity no nanombohany. «Nanao feo lafika tao amin’ny tarika Jaojoby aho, tany am-piandohana», araka ny fanazavany. I Jaojoby rahateo no nahatsapa ny talentany teo amin’ny fihirana sy nanosika azy hiroso amin’ny famoronana. «Teny Ambohipo tao amin’ny Bloc 71 aho no niara-nionona tamin’i Jaojoby. Izy rahateo no nampiantrano ahy vao tonga teto Antananarivo aho», hoy hatrany ny fitantarany.
Tany amin’ny taona 1988 izy no niditra teo amin’ny sehatry ny famoronana, ka sanganasany voalohany ary mora tafita tany amin’ny mpankafy avy hatrany ny «Tsy moramora mitady vola».
Découvertes RFI
Taorian’io dia nanomboka nisokatra ho an’i Mily Clément ny sehatra maromaro. Nandritra ny fampisehoana natao tany amin’ny lapan’ny Ankizy mpisava lalana tany Toamasina, nandritra ny fampisehoana niarahany tamin’i Feon’Ala, no nifankahitany indray tamin’i Tôty, izay nandroso soson-kevitra azy ho amin’ny fiaraha-miasa rehefa tonga teto Antananarivo. Fihaonana izay nitarika tamin’ny fiaraha-miasa ary nahateraka an’ilay hira “Zanahary”, izay nandray anjara avy hatrany tamin’ny fifaninanana “Découvertes RFI”, tamin’ny taona 1990. “Voafantina tamin’ny dingana teto an-tanindrazana io hira io fa tsy niatrika ny dingana famaranana, tany La Frantsa”, araka ny fanamarihany. Nampirisika hatrany an’i Mily Clement hiroso amin’ny lalina kokoa teo amin’ny sehatry ny mozika i Tôty ary mbola nitohy tamin’ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy izany. Nanamarika ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina, tamin’ny taona 1990 ilay hira “Tsy moramora mitady vola” sy ny “Lala mandeha Mahé”. “Sehatra lehibe voalohany nandraisako anjara io hetsika io, ary niarahako tamin’ireo efa andrarezina toa an- dry Dama”, araka ny fanazavany.
Ny fitendritendrena gitara
Nitarika kokoa an’i Mily Clement tany amin’ny famoronana ireo sehatra ireo, ka nifantohan’ny famoronany ny gadona salegy sy ny reggae. Famoronana izay nitarika tamin’ny famoahana ny rakikira voalohany tao amin’ny trano fandraisam-peo an’i Stéphane Décomarmond, ka nivoahan’ny “Akory kabaro”, tamin’ny taona 1993.
Ny fitendrintendrena gitara no matetika iaingan’ny famoronana. Manampy betsaka an’i Mily Clément amin’izany ny fitiavany manao dia an-tongotra, indrindra any anaty ala. «Maro ireo feo henoko rehefa any am-pandehandehanana any, ka ezahiko ny mitazona sy mitadidy azy ireny mandra-pahatonga any an-trano ary raisiko amin’ny fandraisam-peo avy eo», hoy ny fanazavany mikasika ny fomba famoronany hira. Miainga amin’ireo feon-kira ireny kosa no hikarohany lohahevitra amin’ny tonon-kira apetraka eo amboniny. «Tena maharitra aho vao mahaforona hira iray satria misy hatramin’ny telo volana sy tapany izany», hoy hatrany izy. Manodidina ny 50 eo ho eo ny sanganasan’i Mily Clément, amin’izao fotoana, ka ny 35 amin’ireo no efa masaka.
Nivezivezy tany Frantsa 
Taorian’ny namoahany ny rakikira faharoa «Ho meva» tao amin’ny trano fandraisam-peo Mars, tamin’ny 1996 no nanomboka nangina sy tsy re firy teo amin’ny fampisehoana i Mily Clément. «Matetika nivezivezy tany Frantsa isaky ny telo na efa-taona aho, hany ka tsy tazana firy intsony teo amin’ny sehatry ny fampisehoana sy ny famoronana», hoy izy niresaka ny tsy nahitana azy nandritra ny taona maromaro. «Mitohy ny famoronana fa ny zava-misy eto amintsika no tsy mampazoto amin’ny famoahana rakikira ka ao anatin’izany ny piraty», hoy hatrany izy. Na izany aza, anisan’ny paikadin’i Mily Clément amin’ny fiarovana ny rakikirany sy ho fanohizana ny tady amin’ireo mpankafy ny famoahana kapila tsy misy afa-tsy hira tokana manomboka amin’ny taona ho avy.
Rehefa misy tsy haiko dia manontany
Na tsy nahavita fianarana aza, lehilahy mahay mikaroka sy miaina amin’ny zava-misy i Mily Clément. Porofon’izay ezaka nataony izay ny fianarany teny vahiny izay tsy nidirany an-dakilasy fa niainga avy amin’ny fifampiresahana tamin’ireo karazan’olona samihafa. «Tsy nanana henatra rahateo aho rehefa misy ny tsy haiko dia manontany izay olona tokony hanontaniako aho», hoy hatrany izy. Anisan’ny teny filamatr’ity mpanakanto ity ny «Ny fiainana dia fianarana». Anisan’ny nomarihiny fa tsy ambakan’ireo ankizy ankehitriny izy raha ny fiteny frantsay. «Ny manoratra amin’ny kahie no tsy dia afaka loatra aho fa havanana kosa aho raha manoratra amin’ny solaitrabe», araka ny fanamarihany. «Miezaka hatrany aho mihoatra io tsy fahaizako teo amin’ny ara-taratasy io», hoy hatrany ny fanazavany.
Manana zom-pirenena roa i Mily Clément, ary miainga amin’izay ny fanabeazany ny zanany. Efatra mianadahy ny zanany ary misy ny efa lehibe. Ny zanany farany dia 5 taona sy tapany mandranto fianarana amin’ ny sekoly frantsay. «Somary sahirana aho amin’ny fanarahana ny fanabeazana, nefa tsy mahamenatra ahy ny manontany rehetra misy tsy azoko amin’ny boky ifandraisan’ny sekoly sy ny ray aman-dreny. Tombony amin’ny maha olom-pantatra ihany koa izay tsy fisalasalana izay», araka ny fanamarihany.
Tsy levona ao am-po 
Na dia fiainan’i Mily Clément aza, efa nitondrany ny mangidy ihany ny sehatry ny mozika. Mbola tsy afaka am-po sy ao an-dohany hatramin’ izao ny hetsika iray namaranany ny taona tany Sambava niaraka tamin’ny tarika rehetra. «Mpively amponga maroanaka tao amin’ny tarika tamin’  izany fotoana ny mpanakanto malaza iray, nefa tsy hita izay nanjavonany rehetra hiatrika ny alim-pandihizana», hoy izy nitantara. «Voatery nitotototo manerana ny tanànan’i Sambava izahay tamin’io fotoana io nikaroka izay hasolo azy. Na dia nahita aza, tsy araka ny noeritreretina ny seho natolotra», hoy hatrany ny fanazavany. Mbola tsy levona ao am-pon’i Mily Clément hatramin’izao io tranga ary nahatonga azy nilaza fa «fihatsarambelatsihy ny fifandraisako amin’io mpanakanto io fa mbola lalina ary tsy afaka ao am-poko iny zava-nitranga iny».