Onjam-piainana | L'Express de Madagascar – Actualités en direct sur Madagascar
ARCHIVE
Izy-efa--mianaka-nahastiaro-ny-fahambangana-tamin'ny-nahalasan'i-Volatantely
15.12.2016 | 8:15
Nanafatra an-dreniny momba ireo zandriny ilay ankizivavy, talohan’ny nahafatesany

FOTOANA FOHY TAORIAN’NY NITONDRANA AZY TENY AMIN’NY HOPITALY JOSEPH RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA (HJRA) NO TSY TANA NY AIN’I FANOMEZANTSOA VOLATANTELY NA I VOLA. TOVOVAVY 12 TAONA NITONDRA TAKAITRA NOHO NY DAROKA SY NY FIKASIHAN-TANANA NAHAZO AZY TENY ANDRANOMAHERY ANKORONDRANO, NY ALATSINAINY 28 NOVAMBRA LASA TEO. NANDOA RÀ TAO AN-TRANONY NY TOVOVAVY, NY ALIN’NY ALAROBIA  30 NOVAMBRA HIFOHA NY ALAKAMISY 1 DESAMBRA LASA TEO. NIALANA NENINA TENY AMIN’NY HOPITALY IHANY SAINGY TSY AVOTRA INTSONY NY AINY. ANKIZY TSO-PIAINANA, TIA NAMANA ARY MANAMPY RAY AMAN-DRENY AO AN-TOKANTRANO I FANOMEZANTSOA VOLATANTELY, FONY FAHAVELONY.

I-Njaratiana-Brigitte-Aurelie,-vady-navelan'i-Tafita-Eric
28.11.2016 | 7:50
Ankona ilay reny mitondra vohoka, fa nilaozam-bady novonoin’ny herinaratra

LAHATRA SY ANJARA KA TSY MAINTSY ANDALOVANA NY FAHAFATESANA. MATY AMPERINASA TENY TALATAMATY VOKATRY NY FAHAMAIZANA TAMIN’NY HERINARATRA RAKOTONIRINA TAFITA ERIC. TAMPOKA TAMIN’NY FIANAKAVIANA TOKOA NY LOZA NAHAZO ITY RAIM-PIANAKAVIANA, VAO 27 TAONA. MAFY NY MAHAZO AN’ILAY RENIM-PIANAKAVIANA MANANOTENA TAMPOKA, NEFA MITONDRA VOHOKA DIMY VOLANA, SY MIARAKA AMIN’NY ZAZA VAO 4 TAONA.

tsy-ekenay
21.11.2016 | 3:04
TRANGA TENY SABOTSY NAMEHANA – Mitantara ny havan’ilay lehilahy maty tao amin’ny fonjakelin’ny polisy

SAMY MANANA NY FANAZAVANY ny NAHAFATY AN’I JEAN KELY NA RAHARISAINA JEAN ROBERT, TAO AMIN’NY FONJAKELIN’NY KAOMISARIAN’NY POLISY TAO SABOTSY NAMEHANA, NA NY FIANAKAVIANY NA NY AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA. MANAMAFY NY AHIAHY AMIN’NY FOMBA FIASAN’IREO MPITANDRO NY FILAMINANA INDRAY ITY RAHARAHA ITY. MITANTARA NY VOALAZANY FA NIAINANY FARANY NIARAKA TAMIN’ITY NAMOY NY AINY SY NY ZAVA-NISY IREO MPONINA SY NY FIANAKAVIANY.

05.11.2016 | 3:02
Manohisoa – Betafo – Lehilahy voalaza fa jiolahy novonoin’ny mponina

Vaovao tonga tsikelikely. Taorian’ilay tranga tany Betafo nahafatesana olona voalaza fa dahalo hatramin’ny 11 tamin’ny herinandron’ny faha-17 novambra, dia re indray fa lehilahy iray, voalaza fa jiolahy nanafika tanàna no tsy namelan’ny fokonolona tao amin’ny tanànan’I Manohisoa, kaominina ambanivohitra any amin’ny faritr’i Betafo, raha tsy tapitra ny ainy. Raha ny vaovao voaray dia voalaza fa […]

rava
21.10.2016 | 3:33
Ambatoasana – Fandravana trano tsy misy fampilazana mialoha

Tafo 150 no voalaza fa mbola harodana saingy telo no efa noravana omaly. Navoaka teo ivelan’ny trano ny entana. Endrika maloka, tamin’ alahelo tanteraka no nahitana ireo mponina vitsivitsy noravana trano tany Ambatoasana kaominin’ Ampefy, omaly maraina. Voalaza fa tsy nisy fampilazana mialoha voarain’izy ireo tamin’izany fandravana trano izany. Olona vitsivitsy niaraka tamina mpitandro ny […]

Fampiofanana
21.10.2016 | 3:31
Fahaiza-miaina – Maro no nahazo fampiofanana eny anivon’ny orinasa

Nahazo fampiofanana nandritra ny roa andro ireo tanora solotenan’ny mpiasa miisa 30 avy amin’ny sehatra tsy miankina. Nifarana, omaly, io fampiofanana io izay natao tetsy amin’ny Bucas Antani­mena. « Maro ny olana sedrain’ ny mpiasa eo anivon’ny orinasa ka izany indrindra no hanaovana ny hetsika fampiofanana ireo tanora mpikambana eo anivon’ny sendika. Ny fahaiza- miaina […]

15.10.2016 | 2:51
Antsiranana – « Foroches » roa tratran’ny polisy

Tovolahy roa, 19 sy 16 taona, voalaza fa namono nahafaty tovolahy iray tany Antsiranana tamin’ny herinandro lasa teo, no nasehon’ny mpitandro ny filaminana ny mpanao gazety tao Antsiranana tamin’ity herinandro ity. Vaovao nampitain’olona no nambaran’ny tompon’andraikitra fa nanamora ny fanatratrarana sy ny fisamborana azy roalahy ireto. Nambaran’ireo tompon’ andraikitra teo anivon’ny polisim-pirenena fa mpifindrafindra toerana […]