Asam-panjakana
Hiditra ho fonksionera ny mpampianatra Fram
Mpampianatra Fram miisa 30, solontenam-paritra no nanatrika ny fanokafana ireo antontan-taratasy teny amin'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly (Sary Hery Rakotondrazaka)
Maherin'ny 20 000 isa ny antontan-taratasy nosokafana teny Anosy omaly. Napetraky ny mpampianatra Fram te-hiditra ho mpiasam-panjakana izany.
Mbola maro amin' ireo mpampianatra Fram no tsy nahavita nikarakara sy nanatitra ny antontan-taratasy mahakasika ny fidirana ho mpiasam-panjakana mivantana. Mba ho fitsinjovana ireo mpampianatra voakasik'izany dia nanapa-kevitra ny hanohy ny fandraisana ny antontan-taratasy mahakasika izany ny tompon'andraikitry ny fikambanan'ny mpampianatra Fram « Anefa ». Izany no nivoitra nandritra ny fanokafana ireo antontan-taratasy efa voaray teny amin'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly.
« Izao vao naharay ny volany avy amin'ny fanjakana ny ankamaroan'ireo mpampianatra ka nikoropaka nikarakara ireo antontan-taratasy ilaina amin'ny fidirana ho mpiasam-panjakana mivantana.Eo ihany koa ny fikatonan'ny fitsarana ka tsy nahavitany ny taratasy sasany ilaina ho amin'izany. Noho izany dia mbola mandray antontan-taratasy hidirana ho mpiasam-panjakana mivantana izahay », hoy Randrianjafy Élidio, filoha nasionalin'ny « Anefa ».
Nahatratra 20 000 mahery ireo antontan-taratasina mpampianatra Fram voaray sy nosokafana teny amin'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena
omaly.
Mbola tsy voafaritra
« Mandamina ireo antontan-taratasy no anjara asanay. Alefa avy hatrany any amin' ny tompon'andraikitry ny fitantanana ny mpiasa eo anivon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izany avy eo », hoy ny fanazavan'ny tompon'andraikitry ny « Anefa ».
« Ireo mpampianatra efa be taona sy efa ela niasana teo amin'ny fampianarana
no atao laharam-pahamehana amin'izao fampidirana ho mpiasam-panjakana izao. Samy hangalana ho amin'izany avokoa ny faritra tsirairay avy. Mbola tsy voafaritra mazava anefa ny isan'ireo mpampianatra Fram horaisina satria tsy maintsy mbola hodinihina tsirairay ireo antontan-taratasy voaray ireo », hoy Ranaivoson, tompon' andraikitra iray ao amin'ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ireo mpiasa eo anivon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
Volana Rakotoharimanana
Samedi 28 janvier 2012