Anjanahary II O
Mahavelona ny fanamboarana labozia masina
Raholiarisoa Claudine Colette, eo ampikarakarana ny labozia masina fandrehatra any am-piangonana (Sary Mamy Mael)
Nifototra tamin’ny fanamboarana labozia masina i Raholiarisoa Claudine Colette mianakavy, monina eny Anjanahary II O. Nolovaina tamin’ireo razambe ny fahaiza-manao.
Nifikiran-dRaholiarisoa mianadahy avy sy ny fianakaviany hatramin’izao ny fanamboarana labozia masina izay nolovainy tamin’ ireo razambeny tany aloha. Ho fanohizana ny asa efa natombok'ireo ray aman-drenibeniny sy ny tsy fahitan’izy ireo ny faharatsian’ izany asa izany no antony mbola itazonan’izy ireo izany hatramin’izao. Antony hafa koa ny fanasoavana ireo mpino kristianina mpiara-mivavaka aminy.
« Tsy fanohizana ny asa fanamboarana labozia masina nataon'ireo ray aman-dreny tany aloha ihany no nataonay fa fanatsarana izay vokarinay koa. Novainay ho savoka tsy mitapoka mantsy ny jabora izay akora fototra nanamboarana izany hatramin'izay », raha ny fitantaran-dRaholiarisoa Claudine Colette ny antony nahatonga azy ireo nanao io asa fanamboarana labozia masina io. « Noho ny antony ara-baiboly no nahatonga anay nanao izany », raha ny fanampim-panazavana azo avy amin-dRaharimalala Lucie, zaobavin-dRaholiarisoa Claudine Colette.
Mahavonjy
Savoka tantely tsy mitapoka, vahana lamba soga, kitay, akora fandokoana, izay amin’ny ankapobeny ireo akora ampiasaina hanamboarana izany labozia masina izany.
« Tsy mahavelona fa mahavonjy ity asa fanamboarana labozia ity. Tsy mandavan-taona mantsy no hanaovana azy fa isaky ny fetin'ny labozia masina, ny fahadimin’ny volana febroary sy ny fetin’ny Paska ao amin'ny fiangonana katolika ihany. Eo amin’ireo fotoana ireo ny olona no manafatra izany dia tsy misy tsena intsony raha tsy ny volana febroarin'ny taona manaraka indray. Amin’ireo fotoana ireo izahay no manangom-bola ivelomana mandra-pahatongan’ny fotoana manaraka ilàn’ny olona azy manaraka indray. Ny vidin'ireo akora fampiasa anefa amin'izany tsy mitsaha-misondrotra isan-taona », raha ny fanazavana nomen-dRaherimalala Lucie sy Raholiarisoa Claudine Colette ihany.
Ahitana ny haben’ny labozia masina izay tiana ao amin’ireto fianakaviana mpanao asa tanana ireto. Labozia maro loko araka izay tiana manomboka amin’ny 12 santimetatra hatramin’ny 70 santimetatra araka ny habeny izay tiana no vokarin’izy ireo. Manomboka amin’ny 350 ariary hatramin’ny 80 000 ariary kosa ny vidiny. Maharitra ora telo ny fandrahoana ireo akora fanamboarana labozia masina ireo. Iray andro vao vita tanteraka ny fanamboarana labozia iray.
Volana Rakotoharimanana
Samedi 04 fevrier 2012