Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Actualité Madagascar » Malagasy » Ampefiloha-Ambodirano
Ampefiloha-Ambodirano
Hamboarina ireo lalan-kely simba
Dibo-kafaliana ireo mponina eny amin’ny faritra ivan’Ampefiloha Ambodirano raha nandre ny fampanantenan’ny PDS-n’Antananarivo, Razafindravahy Edgard (Sary Mamy Mael)
Nampijaly ireo mponina hatramin'ny taona 1982 ireo lalan-kely eny amin'ny fokontany Ampefiloha Ambodirano. Hanamboatra ireo ny kaominina Antananarivo.
Nitondra vahaolana.
« Mendrika hamboarin'ny kaominina Antananarivo ny lalan-kely ifamezivezen’ireo mponina ety Ampefiloha Ambodirano. Hanomboka androany (omaly) ny fanamboarana izany mba hamerenana indray ny hasin'ity fokontany ity », hoy ny Filohan'ny delegasiona manokana mitantana ny tananan' Antanana­rivo, Razafin­dravahy Edgard, manoloana ny hetahetan'ireo mponin'ny fokontany Ampefiloha Ambodirano nandritra ny fitsidihany azy ireo omaly maraina.
« Vonona ny hanampy anareo amin'ny fanamboarana toeram-pivoahana iombonana aho rehefa hita taratra fa madio sy voadionareo tsara ny tananantsika ety », hoy hatrany ity tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny kaominina Antananarivo ity.
Tehaka nirefodrefotra sy horakoraka no nasetrin'ireo mponina nanoloana izany. « Efa hatramin'ny taona 1982 izahay no nirobo-drano sy fotaka isaky ny androm-pahavaratra. Ho foana izany manomboka izao satria tonga hanamboatra izany ny kaominina sy ireo teknisiana maro miasa ao. Fisaorana feno no atolotra ny PDS-n'Anta­nanarivo sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy satria tsy nitsidika fotsiny ny ety amin'ny faritra iva izy fa namaha ny olana ihany koa », hoy Rasoamiarana Beby, monina eny an-toerana.
Fahadiovana
Lalan-kely mirefy 500m miampy tetezan-kazo mirefy 157m no namboarina teny Ampefiloha Ambodirano nanomboka omaly. Mitentina 10 tapitrisa ariary mahery no teti-bola hatokana ho amin'izany ary haharitra 60 andro ny fanatanterahana ny asa. Ireo mpiasa avy amin'ireo sampan-draharahan'ny kaominina Antanana­rivo no hanatanteraka izany.
« Tsy sarotra ny manao ny tananantsika hahafinaritra. Tsy asa manahirana ihany koa ny fanentanana ny olona amin'ny fahadiovana. Manoloana izany dia manentana anareo mponina aho mba hiara-hiasa amin'ny sefo fokontany hanadio ny tanàna isan'andro. Hangony ireo harona plastika eto amin'ny tanàna misy anareo ka ataovy ao anaty lavaka ary dory. Ezaho mandrakariva hanadio ny tanàna ary kojakojao tsara ireo foto-drafitr'asa izay hamboarina ireo mba haharitra », hoy ny hafatra napetraky ny filohan'ny delegasiona manokana mitantana ny tananan'Antananarivo, Razafindravahy Edgard.

Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5227 - 19/05/2012 ]
    Ambodimita - Mpampanofa kojakojana fiara hotsaraina
  • [ N° 5226 - 18/05/2012 ]
    Andohamandry - Foto-drafitr'asa avy amin’ny kaominina
  • [ N° 5225 - 16/05/2012 ]
    ANTANANARIVO - Entina sy alaina sary ny fiara tsaraina
  • [ N° 5223 - 14/05/2012 ]
    Fitaterana an-drenivohitra - Tsy hitokona ny mpitatitra
  • [ N° 5222 - 12/05/2012 ]
    Fitaterana - Tsy nahomby ny fifampidinihana
  • [ N° 5221 - 11/05/2012 ]
    Fitaterana - Mihena ny hofana fiara voaray
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
Assainissement du lac Anosy
Malgré le contexte vécu sur terrain samedi, des jeunes bénévoles ont pu nettoyer le lac Anosy. Des actions de sensibilisation sont à faire pour préserver les acquis.
Début de la vaccination des bovidés
La région veut faire de l'élevage bovin l'un des facteurs de son développement éco­nomique. Elle compte vacciner au moins 80% du cheptel contre les épizooties.
Iraimbilanja en cinq chansons
L'un des groupes phares des années '80, Iraimbilanja, malgré des débuts laborieux, a atteint les sommets. Leur histoire en cinq chansons.
Les auteurs d'un hold-up identifiés
Des vidéos captées par les caméras de surveillance du bureau de change Le Pacifique, ont permis d'identifier les auteurs du hold-up. Des agents de sécurité ont été écroués.
Actualité Madagascar » Malagasy » Ampefiloha-Ambodirano
Nos autres Titres

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Question pour les médias
C’est un sujet qui ne pouvait pas être passé sous silence. Le forum turco-africain des médias a été l’occasion pour ...
Mahajanga à feu et à sang
Le roi Andriantsoly de Boeny, frustré par le général Ramanetaka, gouverneur merina de Mahajanga, réunit ses fidèles ...
Newsletter
L'Express en ligne , recevez notre newsletter quotidienne, commentez nos articles
Consultations
LEMURECORDS