Tsangam-bato
Hampian’i kaominina ny Fanilon’i Madagasikara
Ny PDS Edgard Razafindravahy (havia) sy Mgr Odon Razanakolona, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara (Sary Mamy Mael)
Nilaza hanampy amin'ny fananganana ny tsangam-baton'ny faha-70 taona niorenan’ny Fanilon’i Madagasikara ny kaominina Antananarivo.
Hanome tanana. « Tianareo ho vita ary hatao tsangambaton'izao fahatratrarana ny faha-70 taonanareo Fanilon'i Madagasikara izao ny ivon-toerana iray eny Andohalo. Hanampy anareo amin'ny fanamboarana izany ny kaominina Antananarivo ary ho vitantsika miaraka izany. Hiditra ho isan'ny mpikambana ao anatin'ny Fanilon'i Madagasikara aho manomboka adroany ary hiezaka ho toa anareo eo amin'ny sehatry ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo », hoy ny filohan'ny delegasiona manokana mitantana ny tanànan'Antananarivo (PDS), Edgard Razafindravahy, nandritra ny lanonam-panokafana ny jobily faha-70 taona niorenan'ny Fanilon'i Madagasikara, teny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo.
Hanabeazana sy hanofanana ary hanoroana hevitra ireo tanora zazavavy io ivon-toerana io. Amin'ny volana oktobra 2012 no eritreretina hanokanana azy. « Efa tafatsangana ny trano fa ny fanatsarana azy sisa no ilàna tolo-tanana amin' ireo mpiara-miombon'antoka. Hafaliana lehibe ho anay ny fandrenesana ny finiavan'ny kaominina Antananarivo, izay tarihin'Atoa Edgard Razafindravahy, hanampy anay ho amin'izany », hoy Ravelonirina Lebiria Marthe, filoha iombonan'ny Fanilon'i Madagasikara.
Antso mba hanabe
« Betsaka ny ratsy sy ny olon-dratsy eto amin'ny tanàna. Manana adidy hanabe ireo olon-dratsy ireo mba hanatsarana ny tanàna ny Fanilon'i Madagasikara izay itoeran'ny fahendrena tanteraka. Irinay, manoloana izany adidy tokony hatao izany, ny hitomboan'ireo mpikambana ao anatin'ny Fanilon'i Madagasikara avo 100 heny ary mirary anareo mba hahatratra ny tsingerin-taona faha-70 taona manaraka indray izahay », raha ny hafatra mafonja napetraky ny PDS-n'Antananarivo, Edgard Razafindravahy.
Mahatratra 16 500 ankehitriny ny isan'ireo skoto zazavavy mivondrona ao anatin'ny Fanilon'i Madagasikara. Manam-pahefana sy ray aman-dreny am-panahy maro eo anivon'ny fiangonana katolika ary solon-tena avy amin'ny lafim- pinoana hafa maro no tonga nanome voninahitra izany fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-70 taona niorenan'ny Fanilon'i Madagasikara, teny Mahamasina, izany.
Volana Rakotoharimanana
Lundi 20 fevrier 2012