Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Actualité Madagascar » Malagasy » Alakamisy Anosiala
Alakamisy Anosiala
Narodan'i Giovanna ny Trano mora
Efa manomboka manarina ireo trano mora 91 tamin'ireo 100 nirodana teny Alakamisy Anosiala ireo mpiasa 230 lahy eny an-toerana (Sary Mamy Maël)
Nandrava trano mora vao naorina teny Alakamisy Anosiala ilay rivodoza Giovanna. Trano 91 tamin’ny zato no rava.
Nitondra takaitra vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza « Giovanna » ny fiandohan'ny herinandro lasa teo ihany koa ireo trano mora vao naorina eny Alakamisy Anosiala. Saika nirodana vokatr'izany avokoa ny 91 tamin'ireo trano 100 efa nitsangana teny an-toerana. Ny rivotra mafy nentin'i Giovanna no niteraka izany faharavan'ny trano izany, araka ny filazan'ireo mpiasa nandrafitra ireo trano.
« Nirodana avokoa ny ankamaroan'ireo trano teto ny talata lasa teo. Ny tsy fahavitan'ny lalotra simenitra ny fanambonin'ireo trano efa vita mialohan'ny fananganana ny vovonana no nampianjera ireo trano 91 ireo. Ny alarobia teo ihany dia efa nanomboka nanarina izany taorian'ny fijerena ifotony ny zava-nisy niarahana tamin'ny tompon'andraikitra izahay », hoy Rajaonarivelo Jean Baptiste, tompon'andraikitra mitarika sy manara-maso ny asa fanamboarana.
Maty antoka
« Raha tombanana dia mahatratra hatrany amin'ny 68% ny fatiantoky ny orinasa nanoloana izao faharavan'ireo trano 91 ireo izao. Misy tsy azo ampiasaina intsony ho amin'ny fanarenana azy ireo mantsy ireo fitaovana sy akora sasany vokatry ny faharavan'ny trano ireo. Isan'izany ny biriky sy ny simenitra ary ny vy », hoy ihany ny tompon'andraikitra.
Amin'ny faran'ny volana marsa, araka ny fifanarahana, no heverina fa hahavitan'ny asa fanorenana ireo trano mora miisa zato vaovao eny Alakamisy Anosiala ireo. Manoloana ny loza voajanahary nihatra tamin'ireo trano vao naorina ireo anefa dia nisy ny fanalavaham-potoana 15 andro nomena ireo mpiasa mba hahavitan'ny fananganana ireo trano mora ireo.
« Mba ho fitsinjovana ireo mpiasa izay tsy main­tsy mbola hamerina indray ny asa fanorenan-trano efa nadiva ho vita dia nisy ny fifanarahana nataonay teo amin'ny mpampiasa mba ho fitsinjovana ireo vatan-dehilahy miisa 230 manatanteraka ny asa ireo », hoy hatrany Rajaonarivelo Jean Baptiste.
« Efa manomboka mandoa tsikelikely ny volany ankehitriny ireo olona 60 voafantina ka nividy ny trano mora eny Alakamisy Anosiala. Efa manomboka mikarakara ireo antontan-taratasy mahakasika ny trano sy ny tany amin'ny anaran'ireo olona nahazo izany koa izahay », hoy Andriamihamina Rija, tompon'andraikitra misahana ilay tetik'asa Trano mora.

Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5152 - 17/02/2012 ]
    Fampianarana - Misy misoloky ireo mpampianatra FRAM
  • [ N° 5151 - 16/02/2012 ]
    ANTANANARIVO - Nanampy ireo traboina ny kaominina
  • [ N° 5149 - 14/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Renibe 98 taona mbola manjaitra
  • [ N° 5147 - 11/02/2012 ]
    Fanamboarana kopia - Ray aman-dreny maro no manao fanitsiana
  • [ N° 5146 - 10/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Afaka sigara tao anatin'ny roa andro
  • [ N° 5145 - 09/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Ankizy sahirana mianatra te-ho tafita
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
L’AFT fête 65 ans de Francophonie
Créée le 26 février 1947, l'AFT fête un évènement cette année. Un parcours presque sans histoire.
Les routes dangereuses
Circuler sur les routes devient de plus en plus risqué, le nombre de victimes d’accidents routiers ne cesse d'augmenter.
Le rapatriement abandonné
Le rapatriement des bois de rose saisis à Maurice nécessite un budget important. Le ministère de l'Environnement propose de les garder à l'ambassade malgache.
Le compte de la Jirama dans le rouge
La Jirama vend à perte. Rien qu'en 2011, l'écart entre son chiffre d'affaires et les charges d'exploitation était de 127 milliards d'ariary.
Actualité Madagascar » Malagasy » Alakamisy Anosiala
Nos autres Titres

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Et si l’on parlait d’amour !
Il y a quelques jours, c’était la Saint Valentin, encore une journée spéciale, une de plus, sans doute pas mondiale ...
Où sont nos militaires ?
En cette période cyclonique que traverse le pays, il est de notre devoir de poser une question plus qu’embarrassante aux ...
Les grands patriotes vilipendés
Quand le service de renseignements militaires propose en 1896 au résident général de France Hippolyte Laroche une liste de ...
Assez et plus jamais ça !
Raymond Ranjeva prête sa notoriété. L'ancien Juge international invita à témoigner des citoyens lambdas qui, en avant-première de sa conférence, ...
Newsletter
L'Express en ligne , recevez notre newsletter quotidienne, commentez nos articles
Consultations
LEMURECORDS