Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Actualité Madagascar » Malagasy » Fampianarana
Fampianarana
Misy misoloky ireo mpampianatra FRAM
Ranaivoson Sahondra, nitondra fanazavana mahakasika ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo mpampianatra (Sary Claude Rakotobe)
Misy olon-tsy fantatra mandray ny antontan-taratasin'ireo maniry hiditra ho mpiasam-panjakana, eny anivon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
Ny ratsy tsy kely làlana. Misy olona mampadoa vola ireo mpampianatra FRAM tonga manatitra atontan-taratasy hidirana ho mpiasam-panjakana eny anivon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, ankehitriny. Nisy ny fanamarihina izay nataon’ ny tompon'andraikitra misahana ny mpiasa eny anivon'io minisitera io nanoloana izany.
« Ny sampan-draharaha misahana ny mpiasa eto anivon'ny minisitera ihany no tompon'andraikitra voalohany misahana izany fandraisana antontan-taratasy hidirana ho mpiasam-panjakana sy ny fijerena ary ny fandinihina izany. Maimaim-poana ny fanaterana izany fa tsy misy vola aloa. Tsy midika akory izany hoe tsy manan-kery ary tsy horaisina ireo antontan-taratasy nangonin'ireo fikambanana samihafa fa kosa izahay no tompon-teny farany sy tompon'ny fanapahan-kevitra mahakasika izany lafin'ny fandraisana mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana izany », raha ny fanazavana nomen-dRanaivoson Sahondra, talen'ny sampan-draharaha misahana ny mpiasa eo anivon'ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.
Fandraisana anjara
« Afaka manangona sy miandraikitra ireo antontan-taratasin'ny namany mpikambana ao aminy ireo fikambanan'ny mpampianatra FRAM samihafa. Tsy midika fanaovana azy ho laharam-pahamehana hampidirana ho mpiasam- panjakana akory izany. Ankoatr' izay dia tsy mbola naharay tatitra na antontan-taratasy mahakasika izany izahay », hoy hatrany ny fanamarihana nataon'ity tompon'andraikitra ity.
« Noraisinay an-tànana mba hisorohana ny mety hisian'ny kolikoly no antony nanaovana izao fandaminana izao. Isan'ny fandraisanay anjara ho fanampiana ny minisitera amin'ny alàlan'ny fanaovana lisitra ireo mpampianatra efa be taona sy ela niasana teo amin'ny lafin'ny fanabeazana ihany koa izany fa tsy misy resaka ambadika akory. Tsy nampandoa vola ireo mpampianatra izahay ary rahampi­tso (anio) no hanateranay izany », raha ny nasetrin-dRandrian­jafy Elidio, filoha nasionalin'ny fikambanan'ny mpampianatra FRAM « Anefa », nanoloana izany.
Ireo mpampianatra nivoaka avy amin'ny sekoly ambony sy ny ivon-toerana nasionaly manofana mpampianatra, ary ireo mpampianatra FRAM izay efa voasokajy ho isan'ny efa manana traik'efa ihany no horaisina amin'izany fampidirana ho mpiasam-panjakana izany.

Volana Rakotoharimanana et Vonjy Radasimalala
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5151 - 16/02/2012 ]
    ANTANANARIVO - Nanampy ireo traboina ny kaominina
  • [ N° 5149 - 14/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Renibe 98 taona mbola manjaitra
  • [ N° 5147 - 11/02/2012 ]
    Fanamboarana kopia - Ray aman-dreny maro no manao fanitsiana
  • [ N° 5146 - 10/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Afaka sigara tao anatin'ny roa andro
  • [ N° 5145 - 09/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Ankizy sahirana mianatra te-ho tafita
  • [ N° 5144 - 08/02/2012 ]
    Antananarivo - Mirongatra indray ny halatra
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
Giovanna touche le Rova
Après le passage du cyclone Giovanna, le site d'Ambohimanga panse ses plaies mais les blessures sont profondes.
Une jeune femme sabrée et violée
Violée et sabrée à dix reprises, elle agonisait lorsque les malfaiteurs en avaient fini avec elle. Elle était complètement nue lorsqu'elle a rampé jusqu'à la police.
Près de 88% des écoles hors d'usage
Le cyclone Giovanna n'a pas épargné les établissements scolaires dans le district de Brickaville. 852 salles de classe ont été endommagées.
Air Mauritius dans le rouge
Air Mauritius est à la recherche d’un partenaire. André Viljoen, directeur exécutif par intérim d’Air Mauritius, l'a confirmé lors d’une rencontre avec le personnel.
Actualité Madagascar » Malagasy » Fampianarana
Nos autres Titres

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Madagascar, une grande île verte au XIXe siècle
De nombreuses publications allemandes, parlent de Madagascar, surtout à partir du XIXe siècle. Ainsi d'un « polybistor » allemand du ...
Proprement scatologique
La benne à ordures, remplie à ras bord, occupe la moitié de la chaussée. De part et d'autre, les taxibe ...
Gouverneur d'union nationale
Après le passage de Giovanna, c'est la Banque centrale qui se trouve dans l'oeil du cyclone. Une partie du personnel ...
Newsletter
L'Express en ligne , recevez notre newsletter quotidienne, commentez nos articles
Consultations
LEMURECORDS