ANTANANARIVO
Nanampy ireo traboina ny kaominina
Faly sy nankasitraka ny fanampiana nomena azy ireo traboina teto an-drenivohitra (SARY : Claude Rakotobe)
Tafakatra 1 000 mahery ireo traboina teto Antananarivo hatramin'ny omaly. Nitondra vatsy ho fanampiana azy ireo ny kaominina Antananarivo omaly.
Nahatratra 1 536 hatramin'ny omaly hariva ny isan' ireo traboina teto Antananarivo renivohitra. Nisy ny fitsidihana sy ny fanampiana ara-pahasalamana sy ara-pitaovana nataon'ny kaominina Antananarivo, omaly. Ankoatr'izay, dia nanohy ny asa fanadiovana sy fanalalahana ny làlana mba hahafahan'ny rehetra nifamezivezy ihany koa ireo ekipa isan-tsokajiny. Fokontany 16 no voakasik'izany nivantana.
« Ny fijerena vonjimaika ireo traboina sy ireo mila fanampiana, sy ny fijerena ny zava-misy mba hahafantarana ny tokony hatao no notanterahina [ny talata teo]. Fametrahana ireo traboina amin’ny toerana azo antoka sy fiahiana ara-tsosialy sy ny ara-pahasalamana kosa no nanohizana izany androany (omaly). Nisy ankoatr'izay ny fitondrana vatsy vonjimaika ho an'ireo traboina ireo », hoy ny talen-kabinetran’ny kaominina Antananarivo, ny kaomisera Rabearisoa Alexandre. Vary, tsaramaso, savony, labozia ary bodofotsy isam-pianakaviana no nozaraina tamin'izany.
Faly nanoloana izany fijerena ifotony ny fahasahiranana nanjo azy izany ireo traboina teny anivon’ireo fokontany maro notsidihin’ny kaominina Antananarivo omaly, ka naneho fankasitrahana.
Hatsaram-panahy
« Fisaorana eram-po, eran-tsaina no atolotray ny kaominina Antananarivo sy ny Filohan’ny delegasiona manokana, Razafindravahy Edgard, noho izao fahatsiarovany anay izao. Tsy mba nanadino anay sy izao fahorianay izao izy sy ireo mpiara-miasa aminy fa tonga nanohana sy nanampy », hoy Rasoazanany Felana, isan’ireo traboina teny Ambatomaro. « Hafa raha samy tompon’ andraikitra nifandimby teto an-drenivohitra io PDS-n’Antananarivo amin’izao io. Ny madinika sy ny fahoriany no ataony laharam-pahamehana ka iderana azy indrindra izany hatsaram-panahiny izany », hoy kosa ireo traboina teny Anosisoa Ambohimanarina.
Sekoly maro mila fanarenana
Sekolim-panjakana ambaratonga voalohany fototra miisa dimy eto an-drenivohitra no fantatra fa tena simba ka mila fanamboarana faran’izay haingana, taorian’ny fandalovan’ilay rivo-doza « Giovanna » afak’omaly. Ny EPP Alarobia Amboniloha, Analamahitsy, Ankadinandriana, Volosarika ary Ambatomaro no voakasik’izany. Fahasimbana teo amin’ny tafo avokoa no nahazo ireo sekolim-panjakana ireo.
« Tsy miandry ela fa manomboka avy hatrany ny fanarenana ireo sekoly simba ireo. Efa madiva ho vita izao ny fanamboarana ny EPP Analamahitsy. Ekipa teknika sy sosialy hafa kosa no miandraikitra ny fanamboarana ireo sekoly hafa mila izany. Ireo aloha no hita fa mila fanamboarana vonjimaika, fa mbola misy sekoly simba ihany koa any, ankoatra ireo », hoy Ramahadison Tiana, talen’ny raharaha sosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo.
Volana Rakotoharimanana
Jeudi 16 fevrier 2012