Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Rivo-doza
Niaina tanaty tebiteby ireo mponina
Maro no tsy nahalala tsara momba ny fandalovan'ilay rivo-doza « Giovanna » teto Antananarivo. Tebiteby sy tahotra no nameno ny alina tamin'ny ankapobeny.
Tsy afaka niomana. Ny hariva, tamin'ny alalan'ny fampitam-baovaon'ny haino aman-jery, ny ankamaroan'ny olona monina eto an-drenivohitra vao nahalala mazava ny fisian'ilay rivo-doza « Giovanna ». Vokatr'izay dia niaina tanaty tebiteby sy tahotra noho ny tsy fisian'ny fiomanana ho amin'izany izy ireo.
« Tsy nahalala na inona na inona mihitsy izahay raha tsy tamin'ny vaovao omaly hariva (alatsinainy). Tsy nisy in­tsony anefa ny fotoana niomanana mba hanamafisana ny varavarana sy ny tafo. Mbola samy niasa sy nianatra mantsy izahay mivady ary ireo zanakay mbola tany am-pianarana », hoy Rabarisoa Tsiry, raim-pianakaviana iray monina enyAndravoahangy. « Saika tsy naraina taminay ny andro. Sady nikopakopaka notsofin'ny rivotra mantsy ny ilan'ny tafon-tranonay no tsy nisy akory ny labozia mba nentina nanazava ny tato an-trano. Noho ny tsy fahafantaranay na inona na inona raha tsy vao izao maraina izao (omaly) ny fisiana rivo-doza izay nandalo teto Antananarivo no nahatonga izany », hoy kosa Randriamaro Tefy Harivony, telo mianaka izay voatery namonjy fiangonana mba hialofana, teny Ambohimanarina.
Maro no nivoaka
Noho izay tsy fahalalana izay ihany dia maro tamin'ireo mponina no mbola nivoaka ny trano mba handeha hamonjy ny asa fanaony andavanandro. Isan'izany ireo taksia-be mpitatitra olona sasany teto an-drenivohitra sy ireo mpivarotra anana sy legioma teny amin'ny tsenan'ny tantsaha, teny Anosizato.
« Tsy mahafantatra na inona na inona mihitsy aloha izahay hatramin'izao fa dia miasa. Ny fitadiavana sy ny famelomana ny ankohonana mantsy tsy azo atao ambanin-javatra fa adidy », hoy Ratsimaniriarisoa Fidisoa, mpamily taksia-be iray niasa teny Ambohimanarina. « Efa mahazatra anay ny miakatra maraina aty ka izay no nahatonga anay nivarotra. Efa tonga taty izahay vao nahafantatra fa hoe misy rivo-doza hiditra eto Antananarivo », hoy kosa Rafanomezandrabe, mpivarotra legioma sy voankazo teny Anosibe.

Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5149 - 14/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Renibe 98 taona mbola manjaitra
  • [ N° 5147 - 11/02/2012 ]
    Fanamboarana kopia - Ray aman-dreny maro no manao fanitsiana
  • [ N° 5146 - 10/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Afaka sigara tao anatin'ny roa andro
  • [ N° 5145 - 09/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Ankizy sahirana mianatra te-ho tafita
  • [ N° 5144 - 08/02/2012 ]
    Antananarivo - Mirongatra indray ny halatra
  • [ N° 5143 - 07/02/2012 ]
    EPP Anosipatrana - Tsy nety nampianatra ireo mpanabe
  • [ N° 5142 - 06/02/2012 ]
    Antananarivo - Fokontany 30 hahazo fotodrafitr’asa
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
Black out à Antananarivo
L’heure aux nouvelles technologies
L'église catholique cambriolée
La paroisse Saint Louis de Gonzague a été la cible d'un cambriolage pendant le passage du cyclone. Deux amplificateurs et une table de mixage ont été dérobés.
Giovanna ravive des flammes
Le cyclone Giovanna a été la hantise des organisateurs de soirées liées à la Saint Valentin, cette année. Pourtant, ceux qui ont risqué ont réussi le pari.
Nos autres Titres

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Faut-il avoir peur d’une migration démographique
La vraie sortie de crise serait de passer par des élections très crédibles, justes et transparentes, à charge pour le ...
Newsletter
L'Express en ligne , recevez notre newsletter quotidienne, commentez nos articles
Consultations
LEMURECORDS