Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Actualité Madagascar » Malagasy » Fiarahamonina
Fiarahamonina
Renibe 98 taona mbola manjaitra
Mbola mahavita manjaitra ankanjo sy ondana Razanabony Marie Louise na dia efa 98 taona aza (Sary Mamy Mael)
Vao nandray ny faha-98 taonany Razanabony Marie Louise monina eny Anosisoa Ambohimanarina. Mbola mahavita manjaitra ankanjo sy ondana izy amin’izany.
Mbola ma­tanjaka tsara Ra­zanabony Marie Louise, 98 taona, antsoina hoe bebe Bony. Sivy mianadahy ny zanany, 30 ny zafikeliny, 46 kosa ny zafiafiny ary roa ny zafindohaliny. Tsy araka ny mahabe taona azy ny zava-bitany. Mbola manao ny raharaha rehetra ao an-tokantrano sy zavamaro hafa izy. Isan’izany ny fikosehana sy ny fampirimana ny tranony, ny fanjairana ankanjo sy ondana, ary ny fanasana lamba. Mamonjy fotoam-bavaka tsy tapaka isaky ny alahady sy manao « pélerinage » manerana ny faritany. Feran’ireo taranany tsy hanao zavatra mety handreraka azy anefa izy.
« Fanjairana ankanjo sy ondana sisa no analako andro ao aorian’ny fampiriman-trano isa-maraina fa tsy avelan’ireo zanako manao zava-kafa intsony aho. Amin’ny tànana no hanaovako izany ary ireo zanako na zafikeliko no mampiditra ny kofehy amin’ny fanjaitra hanjairako », hoy bebe Bony. « Mbola tena matanjaka sy mahavita zavatra maro tokoa izy fa tsy avelanay manao izany intsony. Efa betsaka izay vitany izay ka aleo mba anjaranay indray ny sisa mba hamalianay babena azy », hoy Ravao­arisoa Emilienne, zanany vavy.
Vontom-pinoana
Honjohonjon'i bebe Bony samirery ny fiainany sy ireo ankohonany satria maty tanora ny vadiny. « Raha tsy nanankim-po tamin’Andriamanitra aho tsy ho toy izao izahay sy ny taranako. Maty tamin’ny 1936 ny vadiko ka fanasan-damba no namelomako ireo zanako. Vao ny lahimatoako irery no nandeha nanambady tamin’izany », hoy bebe Bony nitantara ny fiainany.
« Ny fahitany ireo taranany vory sy ny famangian’izy ireo azy no tena zavatra mahafinaritra azy indrindra. Ny faha­tsiarovana ny fahafatesan’ny zanany vaviaivo tampoka sy ny tsy fahitana popoka ilay lahiaivo kosa no tena nampalahelo azy indrindra », hoy ihany Ravao­arisoa Emilienne.
Ny tabataba sy ny fifamaliana no tena tsy zakany. Tsy mba mparary bebe Bony. « Lavorary ny fiainana rehefa mahay mitondra tena sy mifanaraka tsara ary mandefitra eo amin’ny fiaraha-monina. Ankoatr’izay, ny fanankinana ny fiainana amin’Andria­manitra », hoy ny hafatra apetrak’ity renim-pianakaviana tratra antitra ity.


Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5147 - 11/02/2012 ]
    Fanamboarana kopia - Ray aman-dreny maro no manao fanitsiana
  • [ N° 5146 - 10/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Afaka sigara tao anatin'ny roa andro
  • [ N° 5145 - 09/02/2012 ]
    Fiarahamonina - Ankizy sahirana mianatra te-ho tafita
  • [ N° 5144 - 08/02/2012 ]
    Antananarivo - Mirongatra indray ny halatra
  • [ N° 5143 - 07/02/2012 ]
    EPP Anosipatrana - Tsy nety nampianatra ireo mpanabe
  • [ N° 5142 - 06/02/2012 ]
    Antananarivo - Fokontany 30 hahazo fotodrafitr’asa
  • [ N° 5141 - 04/02/2012 ]
    Anjanahary II O - Mahavelona ny fanamboarana labozia masina
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
La presse crée un syndicat
Des employés de la presse se sont regroupés en une association syndicale. Son bureau est composé de 12 membres.
Ravalomanana exclu de l'amnistie
L'avant-projet de loi d'amnistie confirme la position radicale de Andry Rajoelina, président de la transition. Il est tacitement en défaveur de l'ancien président Marc Ravalomanana.
D’amour et de peinture avec Rfaral
Depuis quelques jours, les artistes plasticiens Rfaral et Hemerson Andrianetrazafy proposent un atelier thématique en leur antre à Mahamasina. L'amour y est décortiqué en plein cœur.
Hausse des prix avant Giovanna
L'alerte a été donnée, et la population s’est précipitée aux marchés pour se ravitailler. Une brusque hausse des prix des PPN a été enregistrée, hier.
Actualité Madagascar » Malagasy » Fiarahamonina
Nos autres Titres

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Pertes et profits du tiers-monde
Un cyclone tropical intense, en approche. La météorologie est une science exacte. Tellement exacte qu'en Occident, les prévisions, matin, midi ...
Les préparatifs d'un voyage en Antsihanaka
Dans son carnet de voyage en date de 1822, James Hastie n'est pas très chaud devant le projet de Radama 1er d'envoyer une expédition armée dans le Menabe. Mais pour le roi, il s'agit surtout d'endurcir ses troupes.

Giovanna, femme fatale
Quelle idée que de frapper à la Saint-Valentin avec des rafales destructrices comme que d'eau. Giovanna comme Katrina et Géralda ...
Newsletter
L'Express en ligne , recevez notre newsletter quotidienne, commentez nos articles
Consultations
LEMURECORDS